CENI – Tonga ireo biletà tokana hampiasaina amin’ny 7 novambra

Isambilo

Tonga ireo biletà tokana hampiasaina amin’ny fifidianana filohampirenena fihodinana voalohany hatao eto amintsika ny 7 novambra ho avy izao. Nalaina teny amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena teny Ivato izany biletà tokana izany omaly tolakandro, ampahany voalohany izao tonga izao, biletà tokana anaty fonosana lehibe miisa 835 ireo tonga ireo, hampiasaina amin’ny biraom-pifidianana amin’ny distrika miisa 87 eto amintsika. Ny ambiny kosa dia ho tongany alahady ho avy izao ho an’ireo 32 distrika ambiny. Tany Afrika Atsimo no nanamboarana ireto biletà tokana ireto. Raha ny fantatra, miisa hatramin’ny 3 hetsy sy 10 tapitrisa ny biletà tokana hampiasaina amin’ny fifidianana filohampirenena ny 7 novambra ho avy izao io.