EDITO – Kandidà Ravalomanana N°25 – Tratra ny antsojay ny helikôpterany

Helisoa

Fifidianana eken’ny rehetra sy  ara-demokratika tsara, no dradradradrain’ny mpitondra fanjakàna hatao eto Madagasikara, amin’ny fifidianana filohampirenena ny 7 novambra ho avy izao.

Izany no natao hoy ny fanambaràna dia mba tsy hisy intsony ny korontana eto amin’ny firenena aorian’ny fifidianana satria efa ao anaty fahantrana lalina ny firenena, ka mila mpitondra vaovao hiasa, hampitoniana sy hampandrosoana ny firenena.

Tsara  izany fanambarana izany, saingy tsy araka ny vava miteny ny zavatra hitan’ny olompirenena ankehitriny. Tsy mitovy ny fitondràna ny kandidà, misy ny tombo sy hala, efa misy sahady ny kapa ranjo hoy ny fitenin’ny tanora izay.

Ho an’ny kandida Marc Ravalomanana N°25 izao dia tsy afaka mampiasa ny angidimby na ny helikôptera ny tenany hatreto satria misy tompon’andraikitra ambony ao amin’ny fitondram-panjakana sy ny ACM (Aviation Civile de Madagascar) tsy mety manao Sonia ny taratasy fahazoan-dalana hampiasàna izany noho ny antony tsy fantatra arak’izany. Tratra ny antsojay indray koa ankehitriny ny helikôpteran’ny filoha Marc Ravalomanana.

Iza moa no minisitera mpiahy io ACM io tsy ny minisiteran’ny fitaterana ve? Koa avy aiza ny baiko tsy ahafahana manasonia io taratasy io izay efa am-bolana no nametrahana izany? Ahoana ihany koa ny hevitry ny CENI sy ny tompon’andraikira rehetra mikasika ny fifidianana amin’izany satria misy ny omena vahana, misy ny mifanohitra amin’izay? Andro vitsy anefa dia higadona ny fampielezan-kevitra.

Ny kandida Rajoelina Andry sy Hery Rajaonarimampianina efa mitondra angidimby eran’i Madagasikara , ny filoha Marc Ravalomanana sakanana tsy avela hampiasa, sa Andry sy Hery no tsy maintsy atao izay hahalàny ho filoha azy ry mpitondra isany? Ho tompon’andrakitra amin’ny tantara ianareo raha toa ka misy sahady ny fitongilanana  a!