Famokaram-bary: Ravalomanana no manana traikefa indrindra amin’izany

Sôh’son

Mametraka ny vahoaka hatrany ho tsy mahalala n’inona n’inona tamin’ny zava-nitranga teto amin’ity firenena ity hatramin’izay ny kandida Rajaonarimampianina, sy izay mitovy hevitra aminy rehetra, ka manao ny tenany ho izy irery no nahavita mihoatra noho ireo filoha nifandimby teo anoloany rehetra.

Anisan’ny niompanan’ny adihevitra nataony tao amin’ny fahitalavitra tsy miankina vitsivitsy izay miara-dia aminy, ny talata hariva lasa teo, ny resaka famokaram-bary eto Madagasikara. Tsy re tao anatin’izany ny fiaikeny fa ny filoha teo aloha Ravalomanana Marc no tena anisan’ny nanao ezaka be dia be tamin’io ezaka famokaram-bary io teto amin’ny firenena ary tsy mbola nisy toa azy. Izy no nanomboka namafa ao an-tsain’ny vahoaka Malagasy, ny fiheverana hatramin’ny fahagola mihitsy, fa « ny tany mena tsy mirehitra ». Tsy marina io, fa azo atao tsara ny mamadika izany ho hamokatra, ka natombony teny amin’ny tany teny Iavoloha ny fitaratr’i Madagasikara na ny “vitrine de Madagascar ”, tamin’ny alalan’ny famokarana vary sy voly hafa ihany koa. Niitatra tamin’ny faritra samihafa io paik’ady io avy eo ary namporisika ny tantsaha mpamboly sy nampitombo ny vokatra teto amin’ny firenena. Hitany fa mbola tsy ampy anefa io, ary dia nataony koa, ohatra, ny fifaninanana tamin’ireo tantsaha mpamboly vary, ka nisy tamin’izany ny tonga hatrany amin’ny 14 taonina isaky ny hekitara. Lanonana lehibe no notanterahiny teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha isan-taona nentina namporisihana ireo tantsaha, ary hita fa tena nahomby tokoa izany. Noezahiny ihany koa ny fanamboaran-dalana mba hahafahan’ireo tantsaha mamoaka ny vokany, ankoatra izay fomba samihafa fanampiana teny ifotony.

Teo ihany koa ny fanorenana orinasa hanangom-bokatra hahafahana mamarotra ny vokatra amin’ny vidiny zakan’ny vahoaka mpanjifa, ka ialàna amin’ireo mpanao ampihimamba ny fanangonam-bokatra sy ny vidiny. Santionany hita tany amin’ny faritr’Ambatondrazaka izany, ary hita taty aoriana kely fa tsy nahazaka izany velively ireo mpanangom-bokatra mpanao antsojay ny mpamboly tany amin’iny faritra iny, ka anisan’ny niara-dia tamin’ireo andian’olona niketrika ny fanonganam-panjakana tamin’ny fotoan’androny. Mpitondra fanjakana iray anisan’ny niezaka nanao izay hamahana olana ny famokaram-bary teto amin’ny firenena Ravalomanana Marc tao anaty fito taona nitondrany ny tany sy ny fanjakana kanefa nosomparan’ireo voakitikitika tombontsoa manokana tamin’izany. Nofahanan-dalitra sy noharatsian’izy ireo tamin’ny fomba rehetra mihitsy Ravalomanana mba hihodina aminy ny vahoaka.  Dia niaraha-nahita tsara teto ny fihazakazahana tamin’ny fandrobana ireo orinasa sy ny vary amin’ny gony aman-taoniny maro tamin’ireo orinasany ireny tamin’ny taona 2009 ireny.

Tsy mandehandeha ho azy ireny akory. Iaraha-mahita tsara ankehitriny, fa io paik’ady lehibe azy io, izay nokasaina hanasoavam-bahoaka, dia tsy notohizan’ireo mpanongana azy  tamin’izany sy ny fitondrana Rajaonarimampianina intsony taty aoriana. Vokany, nihalafo izaitsizy ny vidim-bary, ary tsy mbola nisy teto vidim-bary toy izao misy iainan’ny vahoaka amin’izao fotoana izao. Nibaribary ihany koa, ny fihenan’ny voka-bary teto vao nandalo ny rivodoza ary tafakatra aman’hetsiny taonina maromaro ny vary nafarana avy any ivelany niditra teo amin’ny vanim-potoanan’ny fahavaratra sy niatrika ny rivodoza. Midika izany, fa tsy nahomby mihitsy ny politika nataon’ny fitondrana Rajaonarimampianina momba ny voly vary sy famokaram-bary teto nandritry ny fotoana nitondrany ny firenena. Miseho ery anefa ny tenany ho nanao ezaka sy manana fomba fiasa tsara mbamin’ny vahaolana mahomby tao anaty fahitalavitra.

Aoka tsy hifamitaka, ary aza mamitaka vahoaka, ampy izay. Aoka hiaiky izay olona efa nanana paik’ady tsara sy traikefa momba io sehatra momba ny voly vary sy ny famokarana azy io, fa tsy mihevi-tena ho zavatra hatrany nefa tsy nahomby amin’ny ankapobeny, izay no fahendrena.