08:30 > Aleo misoroka – Sao ho voa mafy ny mpanjono aman’hetsiny sy ny tontolo an-dranomasina

Gaboraraka hatramin’ny farany ny fitantanan-dRajao ny firenena. Tsikaritra izany amin’ny fifanarahana alasafay natao tany Sina ny andro mialoha ny nahaverezan’ny sezany. Eo amin’ny sehatry ny asa miankina amin’ny ranomasina no nisian’ny fanaovan-tsonia izay haharitra folo taona. Ao anaty ny fifanarahana dia misy fizarana voalohany izay mirakitra fampiasàna sambo mpanjono manomboka alohan’ny faran’ity taona 2018 ity, ka hitombo io isa io hatramin’ny 330 ao anaty ny telo taona.

Araka ny loharanom-baovao dia tsy nisy ny fandinihana akaiky izay mety ho fiantraikan’izany laminasa izany amin’ireo mpanjono kely mahatratra 500.000,  na koa izay mety ho fiantraikan’izany amin’ny tontolo an-dranomasina.

Tsy nisy ny mangarahara teo amin’ny nametrahana izany drafitr’asa goavana tahaka izany. Toy ny raharaha Soamahamanina, Sucoma, andramena, volamena,sns …

Dia mbola sahy mampiesona ihany Rajao. Ny delestazy miverina indray, ny firenena atao varo boba, dia mbola misy foana ireo mankamamy ny hijanona ho forongon-dRajao.