Ravalo sy ny Vondrona Eoropeana – Mipetraka ny fifampitokisana

Isambilo

Any Bruxelles renivohitr’i Belgique, misy ny foiben-toeran’ny Vondrona Eoropeana amin’izao fotoana ny Filoha Marc Ravalomanana, laharana faha-25 amin’ny bileta tokana amin’ny fifidianana filoham-pirenena hatao eto amintsika.

Hatramin’ny omaly, nisy ny fihaonany amin’ireo tompon’andraikitra ao amin’ity Vondrona Eoropeana ity, toy izany ny fihaonany tamin’ny kaomisera Louis Michel, nisy ihany koa ny fivoriana niarahany tamin’ny tompon’andraikitra hafa omaly dia ny tale jeneraly misahana an’i Afrika ao amin’ity vondrona ity, Brigitte Markhussen, sy ny tale misahana ny fiaraha-miasa Köhn Duens.

Izany no midika fa mbola mipetraka tsara hatramin’izao ny fifampitokisana eo amin’ny filoha Marc Ravalomanana sy ny Eoropeana. Tsy ny Eoropeana ihany no hainy no mifandray aminy fa saika ny firenena rehetra maneran-tany mihitsy na ny any Andrefana, na ny any Atsinanana, na ny any Avaratra, na ny aty amin’ny tapany atsimon’izao tontolo izao toy ny aty Afrika. Hainy ny mifandray amin’ny Amerikana, ny sinoa, ny frantsay, ny Norveziana, ny Danois, ny Allemand, sy ny maro hafa tsy voatanisa,…

Izao diany any ivelany izao dia fikatsahana hatrany ny ho tombontsoan’ny vahoaka Malagasy tsy ankanavaka atsy ho atsy, volana vitsivitsy sisa isaina dia tokony hiverina amin’ny fitarihana ny firenena indray ity filoha anisan’ny nitondra fampandrosoana haingana teto amin’ny firenena ity.