“Sondage” nataon’ny FES sy ny Politica – Nosakanan’ny fanjakana sy ny CENI ny famoahana azy

Helisoa

Araka ny fandaharam-potoana dia tokony navoaka ho fantatry ny rehetra tao amin’ny HOTEL CARLTON omaly ny valin’ny tsapan-kevitra na ny sondage nokarakarain’ny Fondation allemande Friedrich Ebert Stiftung (FES), sy ny gazety boky POLITICA, mahakasika ny mety ho vokatry ny fifidianana filohan’ny repoblika hatao eto Madagasikara ny 7 novambra ho avy izao.

Tsy tanteraka izany noho ny fanakanana nataon’ny governemanta Malagasy, sy ny CENI fa hoe mety hampisy korontana eto amin’ny firenena io sondage io. Araka izany, nisy ny valandresaka nataon’ny mpikarakara FES, ny gazety boky  POLITICA ary ny solontenan’ny cabinet nikirakira izany tao amin’ny Holel IBIS Ankorondrano omaly.  Nanaraka ny fenitra sy tsy nisy fitongilanana ary tsy manohana kandida izahay nanao io sondage io hoy ny fanambaràn’ireto farany. Ny mahagaga dia alohan’ny fampielezankevitra no nanaovana  ny tsapan-kevitra fa tsy tao anatiny, nefa dia izao najanona izao.  Diso fanantenana tanteraka izahay hoy ny fanambaràna satria fampanjakàna ny demokrasia no tena novoizina tamin’izany. Noho ny fanajàna ny eto Madagasikara dia voatery najanona ny tsapan-kevitra, ny gazety boky kosa navoaka ihany fa nesorina ny pejy sasany saika hamoahana ny valin’ny tsapan-kevitra. Tena mbola ho ela tokoa vao hanjaka eto Madagasikara ny resaka demokrasia.