EDITO 25 Septambra – Kandida lazaina ho “favoris” – Miaiky fa mitombina ny politikan-dRavalomanana

Sôh’son

Saika ireo mpanao politika sy olona rehetra nanenjika ny filoha Marc Ravalomanana tany amin’ny fotoana niketrehan’izy ireo ny fanonganam-panjakana teto amin’ny firenena dia samy nilaza avokoa fa hoe “tsy azo hohanina ny lalana”. Noventesina sy natao dridrangilo teto izany hilentika tao an-tsain’ny vahoaka tany amin’ny 2008, 2009, 2010 sy niditra tao anatin’ny tetezamitan-dRajoelina. Politika sy paik’ady lehibe nentin-dRavalomanana io ho fampandrosoana an’i Madagasikara. Tsy nisy izay tsy niaiky tao anaty fitondrany ny mahatsara sy tena mahamety, ohatra ny nahavitany ny lalana teny Ampasika, ny teny Anosy manoloana ny sekoly Masindahy Misely, ary indrindra indrindra ny lalana teny Anosibe izay mirefy 3 km mahery. Tao anatin’ny 7 taona, fe-potoana niasany dia nirefy 9000 km mahery no vitany nanerana  ny Nosy. Singanina amin’ireny, ohatra, ny lalana Antananarivo- Antsiranana, izay tena nahafapo ny mponina any avaratra sy nanampy be dia be azy ireo tokoa. Indrisy tonga ireo nanao tsinontsinona izany politika fotodrafitr’asa lehibe izany, dia niaraha-nahita ny fahapotehana sy ny fijalian’ny mponina efa feno fanantenana teo tamin’ny lafiny fandrosoana. Ary mandraka ankehitriny io fijaliany sy fahapotehan’ny lalana io, tsy voavahan’ny fitondrana Rajaonarimampianina, ny tetezamitan-dRajoelina koa moa dia zara raha mba nisy lalana vitany izany.  

Nametra-panontanina mandrakariva tamin’ireo mpanongam-panjakana sy ny forongony mpanenjika azy ireo mahalala ny maha-zavadehibe io politika io sy mpanohana an’i Dada ny amin’ny hoe: “tena tsy azo hohanina tokoa ve ny lalana?”. An’avona sy valy boraingina no valin’izany matetika, ary dia fankahalana fotsiny izao ny azy ireo, fa tsy misy fijerena sy fitsinjovana ny firenena velively. Iaraha-mahita sy mahalala tsara izany amin’izao fotoana izao.

Ankehitriny, eny na tao anaty fitondrana Rajaonarimampianina aza, dia indreo ireo mpanao tsinontsinona ny fanaovan-dalana nataon-dRavalomanana, fa mihazakazaka miditra amin’izany . Nitranga izany, ohatra, tany amin’ny faritra atsimontsimon’Antananarivo iny ary nifanotona tao mihitsy ny kandida roa izay samy hiseho amin’ny vahoaka fa hanamboatra ny lalana tao an-toerana. Sao dia mbola mitàna ny heviny toy ny taloha ihany izy ireo, dia ny hoe “tsy azo hohanina ny lalana”, fa fihatsarambelatsihy hakana ny fon’ny vahoaka sy ny vatony fotsiny ireny fihetsika milaza hanamboatra lalana ireny.  Tantara nisy teto, ary ny lasa tsy fanadino, nisy teto  ny fanimbana ny saim-bahoaka fa hoe tsy azo hohanina izany ny lalana ary izay olona rehetra nanenjika ny filoha Ravalomanana tamin’izany dia tena fanetriben’ny firenena ary tena fahavalom-bahoaka mihitsy, satria manao izay hanapotehana azy hiditra amin’ny fahantrana. Vokatry ny nataon’izy ireo tamin’ny fotoan’androny izany dia izao iaraha-mahita izao ny manjo ny firenena sy ny vahoaka Malagasy.

Vonona tanteraka hanarina ny firenena ao anaty lavaka mangitsokitsoka nandentehana azy izany Ravalomanana Marc izany, ary manana ny traikefa tanteraka amin’izany izy araka ny nambarany. Mbola ho sarotra tanteraka rahateo raha olona tsy manana traikefa no hitondra firenena. Tsy fotoanan’ny kitsapatsapa toy izay hita tato anatin’ny 9 taona intsony izao, ary maika ny fanarenana an’i Madagasikara.  Efa niha-matotra ara-tsaina sy mandinika politika ary manana ny heviny ny vahoaka noho izay efa nanjo mafy azy izay, ka tsy ho voafitaka sy tsy ho azon’ireo mpanao politika maloto rebirebena na raviravizana vola ary hanaovana ronono an-tavy na badoina intsony.