Nongotana tamin-kery i Dada ary hamerina azy ara-pomba demokratika izahay

Mpomba an’i Dada boriboritany faha-6 – Mampahafantatra faran’izay tratra ny laharana faha-25

Helisoa

Nifamotoana teny Avaratetezana Ambohidroa Boriboritany faha-6 ny talata teo nampahafantatra faran’izay tratra ny kandida Marc Ravalomanana N°25 ny mpomba azy rehetra teny amin’ny boriborintany faha 6.

Izany dia nahitàna ny depiote voafidy tao amin’ny boriborintany faha-6, Horace Rasoanoromalala , ny DISTIM sy ny mpikatroka ary ny KMMR (Komity manohana ny filoha Marc Ravalomanana) , ny ATS sekeretera sy mpitambolan’ny fokontany ary ny mpanolotsaina ny Tanàna TIM.

Nandritra izany no nanambaran’ny solombavambahoaka voafidy tao amin’ity boriborintany ity, Horace Rasoanoromalala, fa tsy misy hafa-tsy ny filoha Marc Ravalomanana N°25 ihany no hatokisanay hanavotra ity firenena ity. Vonona izahay rehetra mpomba azy hoy ity farany haneho ny fahavononanay hamerina an’i Dada hitondra ny firenena indray. Efa nanao i DADA ary nahavita be, saingy nongotana
tamin-kery teo amin’ny fitondràna, koa hamerina azy ara-pomba demokratika izahay, ny mpanongam-panjakàna kosa tsy havela ahazo laka intsony.

Mampiavaka anay aty Ambohimanarina ny
fambolena vary. Tsy nataon’ny filoha Marc Ravalomanana ambanin-javatra izany tamin’ny nanomezany ny voly vary maro anaka anay. Koa tsy misy hafa-tsy ny N°25 ihany hoy ny depiote Horace
Rasoanoromalala no fantatray ety amin’ny boriborintany faha-6 amin’io fifidianana io hitondra fandrosoana ho an’i Madagasikara .