Bemanjary Flavio, Antsiranana – Marary i Madagasikara ka mila fifidianana ho fanafody

Nangonin’Isambilo

Noho ny fankalazana ny andro eran-tany ho amin’ny demokrasia dia nikarakara fifaninanana lahatsoratra ny fikambanana Liberty 32 ny lahatsoratra  nosoratin’i Bemananjary Flavio avy any Antsiranana no nahazo  ny  laharana  faharoa  tamin’ny  fifaninanana  lahatsoratra tamin’izany izay nampitondraina ny loha-hevitra hoe: “Soraty ny demokrasia 2018”.

Miisa 206 izao ny firenena manerantany. Ny ankamaroan’ireo firenena ireo dia manaraka ny lalàna demokrasia avokoa. Betsaka ny efa nivoatra, nefa mbola betsaka ihany koa ny mbola tsy  mahatazana izany fandrosoana  izany, noho ny tsy fanajana ny  fifidianana. Ka mombamomba izany indrindra no ndeha horesahina etsy ambany:

Voalohany indrindra, ny  fifidianana dia zo sy adidy napetraka ho an’ny olona feno  18 taona no miakatra, tsy anavahana na lehilahy na vehivavy,  fa afaka mifidy avokoa ny rehetra. Noho izy adidy izany no antony tsy maintsy anantanterahana azy. Safidy ihany koa ny fifidianana fa tsy ifanerena, izany hoe tsy misy olona terena hifidy ny tsy tian’ny tena, fa izay tiana sy ankatoavin’ny tena ihany no hofidiana. Izany dia midika fa  tokony ho manan-tsafidy daholo ny olona rehetra miaina ao anatin’ny firenena iray. Ary izany indrindra no takian’ny firenena amin’ny mponina ao aminy. Fa raha tsy manatanteraka io zavatra io ny vahoaka, dia mety ho tezitra izy, ary izany no mahatonga ny firenena hisedra ny fahantrana. Betsaka ny  firenena mbola azo  lazaina fa mikororoso fahana  amin’izao fotoana iainantsika izao, fa indrindra ny firenena  afrikanina, ary anisan’izany i  Madagasikara. Mangetaheta fivoarana ny nosintsika. Mba  te  ho tahaka an’ireo firenena mandroso ireo izy. Betsaka ny raharaha mihodina eto Madagasikara nefa mbola tsy  ahitana làlana hampandroso  avokoa. Miha-mahantra dia mahantra ity nosintsika izay noheverina ho fitaratry ny ranomasimbe  indianina sy Afrika m ity. Mbola eo amin’ny  laharana faha enina amby sivifolo amby zato izao no misy  antsika ao amin’ny firenena  enina amby roan-jato manerantany; nefa efa  talohan’io laharana io no nisy  antsika teo aloha. Izany dia  maneho fa mihamihemotra isika eo amin’ny lafinrehetra. Ny fiainana, ny vola dia mihen-danja avokoa. Mifanohitra amin’ny firenena sasany mihintsy isika, izay mihamivoatra. Manoloana  ireo  olana  sedrain’ny  firenentsika  ireo,  ny mety  ho  vahaolana  voalohany indrindra  dia  ny  hisian’ny  mpitarika  tena  mahay  mitantana  ity  firenena  ity  ka hampivelatra azy amin’ny lafin’ny rehetra. Satria raha tsy misy mpitarika na koa hoe filoha isika dia mety ho mihamahantra noho izao indray i Madagasikara. Ary koa, raha  tsy misy mpitondra isika dia  mety ho very tanteraka ny  lanjan’ny fifanajana eo amin’ny  Malagasy satria tsy misy lehibe mananatra sy manoro làla-mahitsy. Nefa, isika vahoaka manko no tompon’ny fahefana.

Ny  fomba fijery sy ny hevitra ao anatin’ity Lahatsoratra ity, dia tsy voatery mitovy amin’ny  fomba fijery sy hevitry ny Liberty 32 fa hevitry ny mpanoratra irery ihany. Mifidy  ny olona hatao ho filoha izay  heverina fa hahomby amin’ny  alalan’ny fandatsaham-bato. Noho izany, raha te hiaina ao anatin’ny fiainana tsara sy  firenena sambatra isika, dia tsy maintsy mifidy araka ny safidin’ny tsirairay. Ary izay tapaky ny be sy ny maro no ho  filohan’ny firenentsika. Io  fifidianana io koa dia azo  sokajiana hofitaovam-piadiana  amin’ireo karazan’olana teo  ireo, nefa ilay fitaovam-piadiana  tsotra, tsy andoavam-bola ary  tsy mandatsa-drà. Miisa  27  tapitrisa eo izao ny mponina  miaina ao anatin’i Madagasikara, ary tokony ho eo amin’ny 18 tapitrisa eo ho eo ny isan’olona 18 taona no  miakatra, nefa zara raha ampy  antsasaka io isa io ny  mpandray anjara amin’ny fifidianana. Noho izany, dia tokony ho entanina koa ireo tsy ao anatiny mba handray anjara, mba hisian’ny vokatra tsara sy mahafinaritra. Raha tanteraka izany dia mety hiaina ao anaty hasambarana ity nosy malalantsika ity. Raha atao ho bango  tokana  izay  rehetra voalaza  teo, dia hita  tsara  fa misedra olana lehibe  ity  nosintsika  ity  amin’izao  fotoana  izao,  nefa  isika  ihany  no  afaka mamaha izany olana izany amin’ny alalan’ilay fitaovam-piadiana tsy mandatsa-drà izay antsoina hoe fifidianana. Ka noho izany dia  tsy maintsy mifidy daholo ny olona rehetra 18 taona no miakatra mba hampahasalàma ity tany ity satria « marary i Madagasikara ka mila fifidianana ho fanafody ».