MBS Televiziona – Efa mandeha amin’ny StarTimes

Isambilo

Efa manao andrana amin’ny satelita amin’ny alalan’ny STARTIMES amin’izao fotoana izao ny MBS Televiziona, eo amin’ny canal 106 no ahitana izany nanomboka tamin’ity herinandro ity. Noho izany ankoatra ny eto an-drenivohitra dia efa mahazo ity fahitalavitra tsy miankina ity ny any amin’ny faritra. Maro ireo antso efa voarain’ny tompon’andraikitra fa mahazo izany ny any amin’ny faritra isanisany any. Noho ny fandehanan’ny MBS- Tv amin’ny fahitalavitra mandeha amin’ny satelita STARTIMES izay dia faly ny ankamaroan’ny mponina, efa ela no niandrasan’izy ireo an’izany, satria araka ny nambarany dia efa leon’ny fafy lainga ataon’ny haino aman-jery sasany izy ireo. Eo am-panatsarana hatrany ny fahazoana ity fahitalavitra ity ny teknisiana ao amin’ity haino aman-jery ity ankehitriny.

Momba ny onjampeo MBS kosa, efa faritra maro eto amin’ny Nosy ihany koa no efa mandeha ny MBS Radio any amin’ny faritra.

Ankoatra izany, fantatra fa mbola mifampiresaka amin’ny tompon’andraikitry ny Canal Plus ihany koa ny tompon’andraikitry ny haino aman-jery MBS ny amin’ny handehanan’ity haino aman-jery tsy miankina ity amin’izany televiziona satelita Canal Plus izany koa.