16:30 > Merikanjaka Manjakandriana – Nahazo tohana fiompana akoho gasy sy trondro

Rajo

Laharam-pahamehana ny fampandrosoana ny tantsaha amin’ny sehatra samihafa any amin’ny distrikan’i Manjakandriana ankehitriny.

Nahazo tohana avy amin’ny solombavambahoakan’i Madagasikara voafidy tany Manjakandriana, Rakotonjatovo Anto Arilafa tohana ara-bola momba ny fiompiana akoho gasy sy zana-trondro ho an’ireo vondrona tantsaha any amin’iny faritra iny.

Tanjona amin’izao hetsika izao raha ny nambaran’ny ben’ny tanànan’i Merikanjaka ny fampiroboroboana hatrany ny sehatry ny fambolena sy ny fiompiana an’ireo tantsaha liam-ivoarana any amin’ny  faritra.

Zava-dehibe ny fanohanana toy izao raha ny nambarany satria miantoka ny fampitomboanan ny vokatra ao amin’ny tantsaha rehefa mahazo tohana, ka mandroso amin’ny sehatry ny toe-karena any amin’ny faritra.

Tsy mijanona eo ny hestika raha ny fanazavany ihany, fa mbola tohizana amin’izao fitantanana ny kaominina izao.