Repoblika Federalin’i Alemaina – Hanome 500.000 euros hanampiana amin’ny fifidianana

Isambilo

Hanampy antsika eto Madagasikara amin’ny fanomanana sy ny fikarakarana fifidianana ny Repoblika Federalin’i Alemaina. Vola mitentina 500 000 euros no harotsaky ny fitondram-panjakana any Berlin ao amin’ny SACEM (Soutien Au Cylce Electoral de Madagascar), na famatsiam-bola ho fanohanana ny fanomanana fifidianana eto amintsika. Vita Sonia omaly ny fifanaraham-piaraha-miasa amin’izany teo amin’ny masoivohon’i Alemaina eto amintsika Harald Gerig, sy ny solontena maharitry ny Firenena Mikambana eto Madagasikara, Violette Kakyomya, nitarika ny lanonana kosa ny filohan’ny CENI, Hery Rakotomanana. Nambaran’ny Ambasadaoron’i Alemaina tamin’ izany fa dingana ho amin’ny fitoniana eto Madagasikara ny fifidianana sady fanamafisana orina ny demokrasia. Ahafahana miroso hatrany amin’ny fanomanana ny fifidianana izao nataon’ny allemande izao hoy ny filohan’ny CENI Hery Rakotomanana. Ankoatra an’I Alemaina, efa naneho finiavana androtsaka vola amin’ny SACEM koa I Norvège, Frantsa, Suisse, Etazonia, Australie, ny Vondrona Eoropeana, ary i Korea Atsimo. Izao dia maneho hoy ny solontena maharitry ny Fierenena Mikambana eto amintsika, Violette Kakyomya, fa vonona hiara-hiombon’antoka amin’ny Malagasy ny rehetra amin’ny fanomanana ny fifidianana hisian’ny filaminana sy ny fitoniana.