06:30 > CUA sy ONG Positive Planète Mpaka fako miisa 1000 no hisitraka ny fiaraha-miasany

Mpaka fako miisa 1000 eto amin’ny tanànan’Antananarivo no hisitraka ny fiaraha-miasa eo amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA) sy ny ONG Positive Planète International. Vita sonia ny maraina teo ny fifanaraham-piaraha-miasa teo amin’ny ben’ny tanànan’Antananarivo Lalao Ravalomanana sy ny Talem-paritry ny Positive Planète International, Agnès Hiere, tetsy amin’ny lapan’ny tanàna Analakely. 500 000 Euros no teti-bidin’izao tetikasa izao, famatsiam-bolan’ny AFD (Agence Française de Développement), ny Région Ile de France ary ny Fondation Suez ; mpitantana ny tetikasa kosa ny Kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA) sy ny ONG Positive Planète International. Izao tetikasa izao dia ho fampakarana ny fari-piainan’ireo mpaka fako miisa 1000 ireo, amin’ny alalan’ny fanodinana ny fako voaangona hampidiram-bola ho azy ireo, fanomezana azy ireo fiahiana ara-tsosialy koa, araka ny fanazavana nomen’ny tale misahana ny raharaha sosialy ao amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, Dokotera Prisca Andriantseheno, nandritra izao lanonam-panaovan-tsonia izao. Ny tetikasa dia efa nanomboka ary miasa amin’ny fokontany miisa 30, misandrahaka amin’ireo Boriboritany 6 eto an-drenivohitra. Haharitra 2 taona izao fifanaraham-piaraha-miasa vita sonia teo amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny ONG Positive Planète Internationale izao, ho fampakarana ny fari-piainan’ireo mpaka fako eto amin’ny tanànan’Antananarivo ireo.