EDITO 20 Septambra – Fanomezan-tanana an’i Dada – Mirodorodo ireo olona hanome fanampiana

Helisoa

Marobe ireo olontsotra sy  fikambanana eto an-toerana na  any ampitandranomasina no te-hanome tanana sy fanampiana ny kandida N° 25, Marc Ravalomanana, amin’ny  fiatrehana ny fifidianana filohampirenena ho avy io.

Noho izany dia nanapakevitra Dada fa hanokatra kaonty hanomezan’ny rehetra izay foiny  araka ny hetahetampon’ny mpomba azy. Ka hatao amin’ny mangarahara tanteraka ny fanampiana rehetra azo amin’izany.

Marobe ny fanehoankevitra  hita amin’ny tambazotran-tserasera mikasika io resaka   fanangonana vola io satria  zavatra tsy nampoizin’ny maro izany.

Ny hita mantsy amin’izao  ankatoky ny fifidianana izao   dia marobe ireo kandida no manao fafikatrana vola sy  zavatra hanambazana ny mpifidy azy hamafàna ny heloka nataony teto amin’ny firenena  nandritra ny 9 taona nanomboka tamin’ny taona 2009 nisian’ny fanonganam-panjakàna teto Madagasikara.

Miavaka ny filoha Marc Ravalomanana satria matoa ny olona mirodorodo mitondra ny  vola sy hery eo ampelatanany  hampandresena an’i Dada ho filohampirenana dia izy irery ihany no azony antoka fa hanavotra ny firenena latsaka  ao andavaky ny fahantranaTsy misy fanerena fa vokatry ny fo ny fanampiana izay hatao.

Raha  ny heno dia efa marobe tsy tambo isaina ny olonhanome fanampiana ny filoha Marc Ravalomanana.