EDITO 15 Septambra – Milofo hametraka ny olony eo amin’ny fitondrana ireo firenen-dehibe

Sôh’son

Samy milofo fatratra amin’ny fitadiavana hirika ahafahana mifahatra sy mahazo toerana eto, eo amin’ny lafiny stratejika ankehitriny ireo firenen-dehibe tandrefana sy tatsinanana ary hatramin’ireo firenena manan-karena toy ireo tany arabo miozilimana koa aza. Iaraha-mahalala ny anton’izany na dia ezahin’ireo olona, mpanao politika na kandida filoham-pirenena sasany maromaro, miara-dia sy tohanan’ireo firenena ireo afenina na takonana mafy aza izany. Iray lehibe amin’izany ny fidadasik’ity Nosintsika ity sy ireo harena tsy hita pesimpesenina misy eto. Frantsa no mihevitra fa « haza » eo am-pelatananany sy toy ny « nofon-kena an-tanan-tsaka » i Madagasikara hatramin’ny taona 1896. Ankehitriny, miova ny seho jeopolitika maneran-tany ary samy mihazakazaka mifaninana mampitombo ny faritra ivelany tiany hiankina aminy sy mifamatotra aminy hahazoany tombontsoa bebe kokoa hampiakatra ny toekareny. I Madagasikara iray amin’ireo firenena amin’ilay tena tadiavin’izy ireo ankehitriny ary misy rahateo ireo olona azony ampiasaina amin’izany tsara. Fotoana iray izay hirika ahafahana manatanteraka izany tsara ny fifidianana kasaina hatao eto amin’ny firenena, ary samy mamolavola tsara ny olona kandida tohanany ny tsirairay. Ao anatin’izany tanteraka i Frantsa, iaraha-mahalala tsara izany.

Mampahatsiahy kely ny zava-nitranga tany amin’ny taonjato faha-19, indrindra tamin’ny andro nanjakan-dRanavalona I ny zava-misy ankehitriny izay. Samy nikaroka handrirotra an’i Madagasikara sy haka ity Nosy ity ho zanahiny ireo firenen-dehibe natanjaka tamin’izany fotoana izany. Hain’ny Mpanjakavavy io anefa no niala tamin’ny fandripandrika sy tetik’ady samihafa ary voafehiny ny fihetsik’izy ireo. Ankehitriny koa dia tena mila olona afaka hifehy ny teti-panoron’ireo firenen-dehibe mandroso sy matanjaka ireo izay mikasa hamahatra sy hikatsaka tombontsoa sy harena eto fotsiny ny firenena. Mazava loatra fa ireo kandida tohanan’izy ireo dia tsy hahafehy velively izany tanjony izany raha tonga eo amin’ny fitondrana. Ho lasa fitaovana fotsiny sisa ary voatery tsy maintsy hanaiky izay fepetra hapetrany. Tsy hisy tombontsoa ho an’ny firenena velively araka izany ny fahalanian’ny iray amin’izy ireo, fa ho fampahantrana ny vahoaka amin’ny lafiny samihafa aza. Mila mailo tanteraka araka izany amin’ity fifidianana indray mandeha ity ny vahoaka Malagasy amin’ny olona hofidiany homeny ny vatony, fa sao ho tonga amin’ny fanenenana tokoa any aoriana araka ny nambaran’ny FFKM. Izy nofidiana, ilay vaton’ny firenen-dehibe (pion) hanan-karena mitafotafo toy izay hita ankehitriny tao anatin’ny 10 taona latsaka kely lasa izay, fa ny vahoaka hifafa ny kihony.