20:00 > Rajao – Vao tafala tsy filoha intsony dia efa misy latasy, mamonjy ny zanany, Matthieu

Mivoaka indray ny raharaha Anjozorobe (22 Febroary 2016) nilazàna fa nisy mpitrandraka vatosoa voatifitra. Nandray anjara tamin’izany i Matthieu Minotahiana Rakotoarimanana zanaky ny filoham-pirenena teo aloha, Hery Rajaonarimampianina, izay nanototra ny raharaha.

Misy ny sary sy horonan-tsary manamarina ny naha-teo an’i Matthieu. Ao anaty ny fitoriana napetraky ny Depiote 73 “ho an’ny fanovàna” izany. Ho hita eo ny valin’ny fitoriana.