08:00 > Ambohipo – Parking cité Ambohipo – Afo niredareda alina – Fiara sy moto maro may

Ambohipo – Trano 2, fiara 4 ary moto maromaro no may

Ny alahady tamin’ny 12 ora 15 ora alina no naharay antso ny sampana mpamonjy voina teny Tsaralalana fa nitrangàna fahamaizana indray teny Ambohipo Boriboritany faha-2 eto amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA), teo akaikin’ny fiantsonan’ny taxibe 129.

Trano hazo fipetrahan’ny mpiambina mifanakaiky amin’ny parking no nahazoana antso fa nirehitra, kanjo afo nijoalajoala no hita rehefa tonga teny an-toerana ny mpamonjy voinan’ny CUA satria niitatra tamin’ireo moto sy fiara nipetraka teo an-toerana ny afo tamin’izany.

Raha ny fanazavàn’ny kapiteny Randrianarisoa, tompon’andraikitra ao amin’ny sampana mpamonjy voina etsy Tsaralalana dia trano miisa 2, fiara 4 ary moto maromaro no may kila forehitra tsy nisy azo noraisina intsony , ny fiara 4 no nandalovan’ny afo. Isaorana an’Andriamanitra kosa hoy izy fa tsy nisy ny naratra na aina nafoy satria tonga ara-potoana ny mpamonjy voina namehy ny afo izay nifandrombonan’ny mpamonjy voina etsy Tsaralalana sy Andravoahangy.

20 minitra dia voafehy tsy niitatra tamin’ireo trano sy fiara manodidina ny afo tamin’izany hoy ihany ny kapiteny Randrianarisoa.

(FB Arp Helisoa)

https://www.facebook.com/100004436888820/posts/1111310322360187/