15:00 > Radio Mada – Tafaverina – Norobaina tamin’ny 2009 – Nobodoin’ny HVM

10 sept. 2018 – RADIO MADA 100.8 MHz: « Hamerina amin’ny laoniny izy, hanangana fa tsy handrava ». Arahabaina fa miverina amin’ny tena tompony amin’izay ny RADIO MADA 100.8MHz

Rehefa avy norobaina tanteraka tamin’ny 2009, fongana tsy nisy noraisina, avy eo indray nobodoin’ny groupe RLM Communication (HVM) nandritra ny fotoana maro ny fréquence-ny ka nametrahany an’izany On Air Radio izany (Itpkl Maurice Tsihiavonana no Tale napetraka tao), ankehitriny kosa dia tafaverina soa amantsara ny onjampeo RADIO MADA (Zato teboka valo), raisina eo amin’ny onja 100.8 MHz.
Eo ampemeranana amin’ny laoniny tanteraka ny tomponandraikitra rehetra hanomezana fahafam-po hatrany ireo mpankafy.

(FB Mandroso Randria)