16:00 > Marc Ravalomanana – Tsy mahasoa ny fihemoran’ny fifidianana no tsy manaraka ny lalam-panorenana

Vao teo aho no nahazo vaovao fa tsisy mihemotra izany. Ny faniriantsika dia aleo hizotra ny fifidianana. Ary ny fanirian’ny vahoaka dia efa maika hisadify izay olona tiany hitondra azy.
Noho izany, tsy dia mahatoky loatra aho hoe hihemotra indray ny fifidianana.
Raha vao mihemotra ny fifidianana dia hitombo indray ny fahasahiranan’ny vahoaka. Hitombo indray ny fahoriana efa mahazo azy amin’izao fotoana izao.
Tsy mahasoa antsika izany mihemotra izany ary tsy manaraka ny lalam-panorenana.

(Marc Ravalomanana – Ofisialy)

Tsara raha manaraka ny lamina efa mipetraka mikasika ny datim-pifidianana sy manaja ny lalampanorenana mba tsy itarazohan'ny fiainam-pirenena.

Publiée par Marc Ravalomanana sur Vendredi 7 septembre 2018