18:30 > Raikitra fa hitsidikan’Antsirabe Ravalo, kandidà N°25

Lezama

Raikitra ary fantatra fa hitsidika an’Antsirabe ny filoha mpanorina ny antoko TiakoMadagasikara (TIM) sady kandidà ho filoham-pirenena laharana faha 25 dia ny filoha Marc Ravalomanana izany.

Raha ny nambaran’ireo mpiakarakara ny fandraisana azy dia ny Sabotsy 15 Septambra izao no hidina ary hamarana ny Jobily faha 15 taonan’ny Antoko Tim izy ireo, ao Antsirabe.

Hisy ny hetsika maro ho fandraisana ity filoha mpanorina ny antoko sady kandidà ity amin’izany, amin’ny alalan’ny lanonam-pianakaviana sy fampisehoana isan-karazany ho fanamarihana io famaranana io.

Andrasana moa araka izany ny fanampim-baovao manodidina izany ka ho tanterina eto ihany.

Fa etsy andaniny izany dia miomana fatratra amin’ny fiatrehana ny fifidianana ny Antoko Tim amin’izao fotoana eto Antsirabe raha ny nambaran’Atoa Rakotondrasoa Patrick, filohan’ny DisTim Antsirabe voalohany. Tsy vao izao fa efa hatramin’ny nandrafetana ny lisim-pifidianana no efa nanomboka io fiomanana io tamin’ny alalan’ny fanamarinana ny lisim-pifidianana isan-karazany ho an’ireo mpikambana sy ny fampidirana ireo tsy tafiditra tamin’izany satria efa tamin’izany no tsinjo fa efa nisy ny ambadimbadika nanilihana ireo olona sasany izay tsy tafiditra tamin’ny fifidianana ny taona 2013 farany iny. Raha ny fantatra ary dia misy ny fidinana ifotony indray amin’izao fotoana ka nanavaozana sy nanatsarana ny rafitra ifotony dia ny fokoTim isam-pokontany izany. Tsy nisy moa raha ny fanazavana ny fanesorana olona fa fanatevenana aza no natao raha ny fanazavana. Na izany kosa aza dia nisy ireo olona voatery nosoloina noho ny tsy fahafahan’izy ireo mitarika ny mpikambana intsony sy ny andraikitra hafa mamatotra azy. Nambaran’ity mpitarika ity fa tsy nanaitra azy ireo akory ny fanangonan’olona nataon’ny kandidà sasany tao Vakinankaratra tao, izay nitaomana olona avy any an-toeran-kafa sy nizarana vola satria ny azy ireo dia olona efa resy lahatra amin’ny fampandrosoana nataon’ny filoha Ravalomanana no miaraka amin’izy ireo ary olona efa afaka mifidy fa tsy mpijery fampisehoana ranofotsiny sy mpitady vola akory. Efa miroso amin’ny fanomanana tanteraka moa izy ireo ary hivonona handray ity kandidà laharana faha 25 ity.