18:15 > Amiraly – Mitarika ny fanemorana ny fifidianana

Fifidianana filohampirenena – Kandidà 16 amin’ny 36 milaza ny tokony hanemorana ny fifidianana

Isambilo

Kandidà miisa 16 amin’ny 36 amin’izao fotoana izao no miketrika ny hanemorana ny fifidianana, izay tokony hatao eto amintsika ny 7 novambra ho avy izao. Ny kandidà Amiraly Didier Ratsiraka no anisan’ ny mitarika ireto kandidà ireto, ho amin’izany fanemorana izany, voalaza fa hisy ny fanasoniavan’izy ireo izany anio ary hisy avy eo ny fametrahana azy eny amin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana na ny HCC.

Ny antony anisan’ny hitakian’izy ireo izao fanemorana izao dia ny hoe mila hapetraka eto amin’ny firenena aloha ny tena fampihavanana, toy izany koa ny fanorenana eny ifotony.

Asa aloha na hahazo fahafahampo eny Ambohidahy ireto kandidà 16 ireto na tsia satria ny fanemorana fifidianana izany dia noho ny antony tsy azo anoharana.

Ny fampihavanana sy ny fanorenana ifotony ve antony tsy azo anoharana? Dia ho hitantsika eo ny tohin’ity raharaha ity.