Rajoelina Andry – Tsy nanome porofom-pitiavana ny vahoaka sy ny firenena izany

Andry Rajoelina - Mpamorika ny Malagasy

Andry Tsiavalona

Lohatenin’ny lahatsoratra iray tao amin’ny gazety mpiseho isan’andro iray io fehezan-teny io. Fanontaniana maro no tao an-tsain’ny mpamaky raha nahita izany satria kilalaon-teny ihany no nampiasainy ka mila hazavaina tsara ny tiany hahatongavana… Ny “fanambaram-pitiavana” dia fitoriana amin’olona ny fihetsem-po, mety tsy amin’olona ihany fa mety ho amin-javatra hafa. Ohatra azo raisina ny teny filamatry ny antoko TIM hoe: “Tiko i Madagasikara”, izany hoe tiany izany ny fireneny sy izay rehetra ao aminy, na mponina na zavaboahary na ny harena, ka namafisin’ilay boky kely “Madagasikara ara-boajanahary” (Madagascar Naturellement). Raha ny IEM novolavolain-dRajoelina Andry no voaboasana dia programa entiny hampandroso an’i Madagasikara ka heveriny hahatafavoaka ny firenena ao anatin’ny fotoana mety hitondrany indray. Tsy “porofom-pitiavana” io satria zavatra azo tsapain-tànana sy hitan’ny maso no entina manaporofo ny fitiavana. Mety azo raisina ho porofom-pitiavana ny fanoratana amin’olona iray fa hataoko toy izao ianao na hampiadaniko ianao na hataoko daholo izay tianao, izany hoe mbola fanehoana finiavana (intention) ihany izany fa tsy fanaporofoina fitiavana. Amin’ny ankapobeny dia tranga na hetsika efa vita sy natao no entina manaporofo ny fitiavana. Ka raha ny an’ity kandidà ity no hatao jery todika ny nataony teto amin’ity Firenena ity, nandritra ny dimy taona nitondrany ny tetezamita dia tsy misy porofom-pitiavana mihitsy na ho an’ny vahoaka Malagasy na ho an’i Madagasikara satria nirodana avokoa ny sehatra rehetra. “Alatsinainy mainty” sy “Sabotsy mena” ary “fanonganam-pajakana no nalaza tamin’ny nidirany an-tsehatra teo amin’ny raharaham-pirenena. Raha oharina amina olona iray i Madagasiara ka naolana sy noratraina ary norobaina ny fananany ka nilaozana sy tsy noraharahiana ary navela nifika taolambe tsy mitapaka nandritra ny efatra taona dia handefasana taratasy lazaina fa porofom-pitiavana indray. Azo inoana fa tsy misy olompirenena mbola mahatsiaro tena ho Malagasy dia tsy hahatoky sy hanankina ny hoaviny amina olona namela takaitra sy ratra taminy. Heverina fa ireo olona mpiombon’antoka sy naira- namolavola ary niara-nigoka taminy ny tombony azony no mbola mihevitra sy manangoly sy manao hetsika entina manasa ny saim-bahoaka ary mbola resy lahatra fa ny fanambatambazana ny olona amin’ny zavatra tsy mahaleo ny sarany no hividianana azy indray. Tsy tokony hadino fa ny maro amin’ny vahoaka Malagasy dia efa mahay manavaka izay namela mamy ho azy sy izay nampisotro ny nampangidy azy, ka na inona na inona ary na iza na iza mampiseho porofom-pitiavana aminy dia efa hainy ny manavaka ireo ary ho porofoiny amin’ny alàlan’ny fifidianana izany. Ny kandidà toa an-dRajoelina Andry dia toy ny tsikovoka: raha manidina , toy ny voromanga; fa rehefa mipetraka , toy ny tavilotra na potika tavim-boninkazo.