Dis-TIM Andramasina – Manome soso-kevitra ny CENI hampadio sy hampangarahara ny fifidianana

Mitondra ny heviny momba ny hampadio sy ny hampangarahara ny fifidianana ny mpitarika ny Dis-TIM any Andramasina, Herinjato Rabetokotany. Milaza izy fa araka ny fanambaràn’ny CENI dia :

  • Nampitomboina 3% amin’isan’ny mpifidy voasoratra anarana ny isan’ny biletà tokana hatonta satria sao misy fahadisoana ataon’ny mpifidy.
  • tsy asiana laharana famantarana manokana (numéro) ny biletà tokana hampiasaina amin’ny fifidianana satria sao fantatry ny mpikambana ao amin’ny biraom-pifidianana ny safidy ataon’ny mpifidy tsirairay.

Manoloana izany dia tsara ihany ny manome soso-kevitra satria raharaham-pirenena sy safidim-bahoaka marina no resaka fa tsy raharahan’ny CENI irery na fampandaniana antoko politika iray. Zava-dehibe loatra ny hatrehin’ny firenena ka aleo mifanoro hevitra ihany. Marihina koa fa ny krizy politika sy ny tsy fisehoan’ny tena safidim-bahoaka marina amin’ny ankapobeny dia avy amin’ny olana amin’ny lisitry ny mpifidy sy ny biletà tokana (ny fisian’ny fizaràna mialoha ny bulletin pré-coché).

1)   Tsy mbola nisy teto an-tany hoe nifidy daholo ny mpifidy voasoratra anarana amin’ny lisitry ny mpifidy ao amin’ny birao fandatsaham-bato iray. Izany hoe tsy nahatratra 100% ny mpandatsa-bato. Raha resaka hoe mety fahadisoana hataon’ny mpandatsa-bato indray dia tsy hinoana ho betsaka izany ary mety tsy hisy mihitsy aza. Koa tsy dia fantatra loatra hoe hatao inona marina ary ity biletà tokana 3% amboniny hatonta ity ?

2)   Ny CENI na ny rantsa-mangaikany eny anivon’ny distrika no manendry ny mpikambana ao amin’ny birao fandatsaham-bato tsirairay araka ny lalàna. Samy manao taratasy ireo olona ireo fa tsy hiandany amin’ny antoko politika. Mazava loatra koa fa amin’ny asa sarobidy toy itony dia tokony ho voafehy amin’ny antsoina hoe « secret professionnel » izy ireo. Noho izany dia tsy tokony hipetraka io ahiahy lazain’ny CENI io, satria amin’izany raha misy mpikambana ao amin’ny birao fandatsaham-bato iray mamoaka ny safidin’ny mpandatsa-bato iray dia azo enjehina araka ny lalàna izy. Ny lalàna dia azo ovàna araka ny filàn’ny vahoaka azy fa tsy misy lalàna tsy azo ovàna izany.

3)   Raha sanatria ka tsy resy lahatra mihitsy amin’ny fametahana laharana (numéro) miseho amin’ny biletà tokana ny CENI dia misy ny vahaolana azo atao: laharana (numéro) amin’ny filigraneno atao, toy ireny sary azo tarafina amin’ny vola taratasy ireny; na   « code-barres »no ampiasaina. Amin’izay dia tsy hipetraka ny ahiahin’ny CENI. Samy mahazo tombony ny rehetra satria ny tena safidim-bahoaka marina no hivoaka amin’izany: ny CENI mahazo ny fahatokisan’ny vahoaka azy ary afaka milaza fa tena madio sy mangarahara ny fifidianana; ny vahoaka malagasy kosa mahazo izay filoham-pirenena tena safidin’ny maro an’isa marina ka dia ho voasoroka ny krizim-pifidianana mety hiseho.

4)   Havoakan’ny CENI foibe amin’ny fomba ofisialy toy ny famoahana ny lisitry ny birao fandatsaham-bato ny isa sy ny laharan’ny biletà tokana alefa isaky ny distrika. Afaka manaraka izany daholo ny antoko politika rehetra. Anjaran’ny rantsa-mangaikan’ny CENI eny anivon’ny distrika avy eo no mitsinjara izany (miaraka amin’ny isa sy laharan’ny biletà) isaky ny birao fandatsaham-bato, ary dia hampahafantarina mialoha  ny antoko politika rehetra eny an-toerana izany (affichage).

Manainga ny CENI handinika tsara mialoha ny hanontàna io biletà tokana io satria amin’ny ankapobeny dia miankina tanteraka amin’izany ny mety ho filaminana na tsia aloha sy mandritra ary aorian’ny fifidianana. Koa aleo misoroka toy izay mitsabo.