Andry Rajoelina – Mpamorika ny Malagasy

IEM : Inty indray no Enti – Mamorika ny gasy
Andry Tsiavalona

Mihazakazaka te-hisongona ireo mpifaninana aminy, ka mamory « vahoaka » atsy sy aroa Rajoelina Andry, mamily ilay lamasinina haingam-pandeha (TGV) mitondra ny nofinofiny hanorina sy hanarina ary hamoaka an’i Madagasikara sy ny mponina ao anatin’ireo areti-mandoza niniany nafafy teto ireo.

Ny tsapan’ny maro dia tsy manana fahaizana amam-pahalalana amin’ny fanorenana ity kandidà ity fa ny manavanana azy dia ny manongana, mamotika sy mandrava ary mandroba. Porofo mitohaka amin’ny tendany dia nilaza hanorina « tramway » teto an-drenivohitra izy taorian’ny fanonganam-panjakana tamin’ny 2009. Nilaza fa efa manana namana avy any dilam-bato ka hampidina ireo kojakoja ilain’ny mponina andavanandro toy ny vary sy menaka,…  Tao an’eritreriny ihany izany fa tsy nisy tanteraka na iray aza.
Tsy azo lavina kosa anefa fa vitany ny nangoron-karena sy nampahantra ary nampandady ny vahoaka Malagasy fa nivadika ho fandohaliana ilay hambompom-pirenena sy hasin’ny tanindrazana nodradradradrainy.

Tena tanora gasy vonona tamin’ny gidragidra sy fankahalana ny mpiray tanindrazana izy ka sarotra ny hino fa hamadika ho lehibe ny “fitiavana” indray ankehitriny na dia nampiditra io teny io ho anisan’ny filamatry ny Repoblika IV aza.

Manaiky izy araka ny kabariny teny amin’ny “by pass” fa anisan’ny nitondra teto Madagasikara kanefa tsy nanana programam-pampandrosoana ho an’ny Firenena sy ny Malagasy. Tsy mahagaga loatra raha dimy taona izy no teo kanefa dia tsy nisy zavatra nivaingana vitany ankoatry ny hopitaly manara-penitra izay tsy afaka nitsaboina  satria tsy nisy fitaovana sady tsy takatry ny fahefa-mividin’ny vahoaka akory.

Nandritra ny efatra taona, hono, dia tsy nitsahatra nanadihady ny fiainan’ny Malagasy izy na dia nipetraka tany ivelany sy nanao tsidi-pahatra teto fotsiny ihany aza. Azo inoana fa tsy izy velively no nandrafitra ity “vina” IEM harosony hamahana ny olana eto ity fa hevitr’olona any ivelany natambatambatra ho iray fotsiny. Tany ivelany no nisy ny revolisiona lokom-boasary ka tena nandroso sy tafavoaka ny firenena nanao izany amin’izao fotoana izao ary ny vahoaka any dia tsy manana olana mihitsy eo amin’ny fiainany andavanandro. Ny afo no manana lokom-boasary ka ny an’ity kandidà ity dia heverina fa mbola hisy hirehitra indray ny toe-draharaha eto aorian’ny fifidianana.

Raha jerena akaiky ny hetsika ataon-dRajoelina Andry dia efa manomboka ho lany bala izy satria tsy zavatra niboiboika avy ao anatiny araka ny zava-misy iainana eto amin’ny Firenena ny programa harosony. Marary ary tena efa eo ambavahaonan’ny fahafatesana mihitsy ity Firenena ity noho ny nataon’ny gasy mahay mamorika toa azy kanefa tsy manana fanefitra amin’izany. Ny kandida toy itony no mody manao torana kanefa hihinana ny kitozan’ny marary.