17:00 > Zava-pisotro misy alikaola – Ho entitra ny fampiharana lalàna ao Antsirabe

Mihenjana amin’ny fampiharana ny lalàna ny kaomisera divizionera Rafalimanana Alain.
Nisy famoriany ireo mpivarotra zavapisotro misy alikaola sy ireo karazan-toeram-pilanonana misy teto Antsirabe nampahafantarany izay tetikady tiany hapetraka izay.

Nambarany fa ho fanatsarana ny sehatry ny filaminana eto anivon’ny faritra Vakinankaratra no anton’ny fiantsoana ireo olona mivarotra antsinjarany ny zavapisotro misy alikaola ireo, niampy ny mpandraharaha sy tompona karaoke, ny mpandraharaha sy tompona toerana mampandihy (boîte de nuit sy night-club) rehetra teto Antsirabe, ny avy amin’ny polisim-pirenena.

Manomboka izao dia hanao ny fidinana ifotony hijery ny avy ao amin’ny mpitandro ny filaminana. Tokony hametraka “affiche” mampahafantatra ny rehetra ny zavatra tsy azo atao ao amin’ny toeram-pivarotana ny mpivarotra, noraisina ohatra tamin’izany ny tsy hivarotana taoka amin’ny zaza tsy ampy taona. Hamafisina araka izany ny fotoana fikatonana amin’ny alina ho an’ireo mpivarotra sy mpandraharaha rehetra ka manomboka amin’ny 10 ora sy sasany alina dia efa mikatona avokoa. Misy ny laharana azo ifaneraserana amin’ny polisy hilazana ny olana miseho eny anivon’ny fiaraha-monina eny, anisan’ny adiresy mailaka “brspvak@gmail.com”.

Nampimenomenona ireo mpandraharaha ary nitarainan’izy ireo tamin’ny mpanao gazety ity resaka ity satria nambaran’izy ireo fa lafo ny hetra alohan’izy ireo amin’ny fanjakana kanefa mba ny alina no tena fandehanan’ny tsenan’izy ireo. Hiteraka korontana ara-tsosialy ihany koa ity resaka ity raha ny fantatra satria dia lasibatra koa ireo mpivaro-tena mivoaka alina.

Lezama