06:30 > Maorisy – Baolina kitra ankizy tanora – Medaly alimo natolotra ny Ben’ny Tanàna Lalao Ravalomanana

Tonga nitondra fisaorana feno ho an’ny Ben’ny Tanàna Lalao Ravalomanana ireo ankizy mpianatra sy ny Ray aman-dreniny androany, izay avy ao amin’ny Ecole de Foot-ball Academica Mahamasina.

Noho ny tolo-tanana izay nataon’ny Ben’ny tanàna azy ireo niatrika ny fifaninanana iraisam-pirenena tamin’ny baolina kitra natao tatsy amin’ny Nosy Maorisy no anton’izany.

Niatrika ny fanasan’ny “Association des éducateurs de Football de Port Louis” izy ireo, izay notanterahana tatsy Maurice, miisa 64 ny mpandray anjara, ka anisany i Madagasikara.

Vokany, nahazo laharana fahatelo tamin’ireo mpifaninana ny Ecole de Foot-ball Academica Mahamasina ka nahazo ny MEDALY ALIMO; voalohany ny Nosy Maorisy nahazo ny medaly volamena, ny faharoa Nosy La Réunion nahazo ny medaly volafotsy.

Natolotr’izy ireo ho an’ny Ben’ny tanàna Antananarivo renivohitra Lalao Ravalomanana androany ny medaly alimo azon’izy ireo tamin’izany fifaninanana iraisam-pirenena teo amin’ny baolina kitra izao.