15:00 > “Faly aho, tena faly!”

“FALY AHO, TENA FALY…”

Tsy maintsy miroso ny lakana,
Sasara izay vonon-kisakana.
Na inona loza misesy,
Ny antsika tsy maintsy mandresy.

Na maro ny fanaratsiana,
Esory izay hoe fanahiana.
Tohano ilay hany safidy.
Fa izy no fanalahidy.

Ny fingana aloha sy aoriana,
Vao mainka hitsikitsikiana,
Fa ny olona manam-pinoana,
Mijoro tsy taitra eny foana.

Tsy miova ny dina sy voady
Na inona zava-mianjady.
Tsarovy ny teniny omaly
Dia ny hoe :”faly aho , tena faly”.

    DADAN’i ZINA (27-08-18)