EDITO 25 Aogositra – Ekipan’ny mpanongam-panjakàna – Efa lany lainga amin’ny fanenjehana ny filoha Ravalomanana

Helisoa

Lasa adala mihitsy ireo tariky  ny mpanongam-panjakàna ankehitriny mahita ny fihetsiky  ny filoha Marc Ravalomanana  amin’izao ankatoky ny fifidianana filohampirenena eto Madagasikara izao.

Tao anatin’ny 9 taona izao dia  ambetindresaky ny gazety sy radio ary ny fahitalavitra efa  ho isan’andro ny fanaratsiana  ny filoha Marc Ravalomanana sy  ireo manodidina azy.  Ankehitriny, lany lainga izy ireo dia ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana indray no velesina kanota atao lohateny lehibe amin’ny gazetin’ny mpomba andRajoelina.

Raha Lalatiana Rakotondrazafy be vava io no lany ben’ny tanàna teo dia efa tsy hay intsony izay nanjo an’ity Antananarivo Renivohitra ity manoloana ny antsojay  nataon’ny fitondràna HVM toy   ny atao  amin’ny mpitantana ny tanàna ankehitriny. Tsy nisy ny  fanampiana  (subvention) nomen’ny fanjakàna, nefa afaka nampandeha ny asa toy ny  fanefàna  ny karaman’ny mpiasa, ny prime ary ny fanaovana asa fanadiovana sy fanamboarana fotodrafitr’asa  ny ben’ny Tanàna Lalao Ravalomanana.

Tsy hita intsony izay anaratsiana   ny filoha Marc Ravalomanana, tsy nandaitra ny filazàna fa mpamono olona i Dada dia tsy afaka hirotsaka ho fidiana filohampirenena, izay ilay hoe lany lainga  e! Dia inona indray ny fafy lainga manaraka? efa fantatry ny rehetra ny laingan’ny mpanongam-panjakana sy ny forongony.