“Nataon-dRajoelina aiza ny fiara saika hanaovana sommet?”, hoy Ignace Randriamamizafy

Helisoa

Marobe ny zavatra tsy nazava  teto amin’ny firenena nandritra  ny fitondràn’ny mpanongampanjakàna Andry Rajoelina . Ankehitriny, ingahy io milaza  fa hanavotra an’i Madagasikara hono? hoy Ignace Randriamamizafy na Gôna.

Maro ny fanontaniana mila valiny atao amin’ity mpanongam-panjakàna ity  noho izany, satria hita miharihary ny volabe afafiny  amin’ny fampielezankevitra mialohan’ny fotoana ataony  manerana ny faritra maro eto   Madagasikara.

Ankoatra ny vola vidinny fiaramanidina Force One sy Two sy vy any Soalala ary ny hafa dia mbola fanontaniana  mipetraka atao amin’ny filohanny tetezamita.

Andry Rajoelina  sy izay tomponandraikitra tamin izany: natao aiza daholo ireo fiara Prado YarisMercedes, Golf  miisa 300 saika nanaovana ny sommet africain teto taminny taona 2009? Natao aiza daholo ny tracteurs miisa 1000 nomen’ny fanjakana Indien izay natoby tao Iavoloha? Lasa aiza daholo ireo 4×4 Toyota Pickup miisa 200 nampiasain’ ny  depiote sy ny senatera  nandritra ny fitondràna  Ravalomanana izay nalaina ankeriny  tamin’ireto farany ny taona 2009 rehefa noravana  ireo andrim-panjakàna ireo ka  nosoloina HAT?

Mila valiny daholo ireo hoy ny mpitaritolona  teo  amin’ny Magro, Ignace  Randriamamizafy, izay tokony ho valian’ny tariky ny mpanongampanjakàna  milaza hanavotra an’i Madagasikara  amin’izao.