EDITO 23 Aogositra – Kandida 46 nirotsaka ho filohampirenena – Sady mahamenatra no mahatsikaiky

Rija R.

Nikatona ny talata faha 21 aogositra teo ny fandraisana ireo antontan-taratasy teny amin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorena (HCC), ho an’ireo kandida hifaninana amin’ny fifidianana filoham-pirenena izay ho tanterahina ny 7 novambra 2018 ho avy izao eto amin’ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara46 ny isan’ireo kandidà izay somary mahamenatra sady mahatsikaiky ihany raha firenena tafalatsaka ao anaty fahantrana toa an’i Madagasikara no ahitana izany.

Azo antoka fa tsy ho isan’ny ho fidiana daholo izy ireo satria mbola manana andro vitsy ny HCC handinihana izany antontan-taratasin’ny kandida izany, ka ho hita eo izay mahafeno ny fepetra. Eo koa mantsy ny anto-bola izay tsy maintsy aloan’ny kandida, izay mahatratra 50 tapitrisa ariary ary haverina aminy izany raha mahazo ny 10% ny vato manan-kery amin’ny fifidianana ilay kandidà.

Raha dinihina dia toa mahamenatra ny zava-misy eto an-toerana satria dia mitory izao fa tsy misy mihitsy ny fifampitaizana ara-politika eto Madagasikara fa dia gaboraraka samy manao izay saim-patany ny rehetraRaha dinihina mantsy ny ankamaroan’ireo kandida, dia saika olona efa samy niaraka tao amina antoko politika iray na samy nanohana firehana politika iray no mameno ny lisitra ka rehefa tsy mitovy intsony ny hevitra na tsy ao anaty fitondrana intsony dia mamadika palitao hoy ny fitenenana izay ary miandry fifidianana dia mamorona antoko politika vaovao hilatsahana ho fidiana. Dia tahaka izay hatrany ny fanaovana politika eto Madagasikara. Tsy hay intsony hoe tena fitiavan-tanindrazana sa fitiavam-bola sy harena ary voninahitra sa fitiavan-tseza hangoronan-karena hatrany no nanosika azy ireo fa ny tsapa aloha dia taorian’ny fanonganam-panjakana 2009 dia hita taratra fa maro tamin’izy ireo no nanan-karena, ary manontany ny ory mihitsy.

Mahatsikaiky indray satria dia ahitana karazan’olona tsy mbola hita taratra teto amin’ny firenena mihitsy dia mihazakazaka ihany koa amin’izany fifidianana ho filohampirenena izany. Olona izay fantatra fa tsy hahavita ny hitety an’i Madagasikara ny sasany amin’ny fijerena ifotony ny fiainan’ny Malagasy anaty fahantrana. Misy amin’izy ireny ny manam-pahaizana, avy eto an-toerana sy avy any ivelany, ary efa hita amin’ny alalan’ny haino aman-jery mampahafantatra ny vina izay ho entiny. Tena tsara ary mahavelombolo tokoa saingy mbola sarotra ny handresy lahatra ny Malagasy amin’ny fifidianana azy satria efa notaizana tamin’ny fomba fanao ratsin’ireo mpanao politika sasany tamin’ny fizarana vola sy ankanjo sns… ny vahoaka.

Efa simba tanteraka ny toe-tsain’ny ankamaroan’ny mpifidy ka dia lasa manaonao foana fotsiny. Noho izany mbola sarotra ny hahazoana ilay toerana mba hampiharana ilay vina. Ekena mety misy fahavonona mihitsy hanavotra ny firenena nefa tadidio fa eto Dago isika fa tsy any an-dafy akory. Hainareo ny tiana hambara. Misy olon-tsotra izay tsy fantatra ny mombamomba azy, ny fahaizany nefa dia hita ihany koa nametraka ny filatsahan-kofidiana teny amin’ny HCC. Dia mipetraka ny fanontaniana hoe inona no mba ao an-tsainy ao?