Ataovy ny ampamoaka!

ATAOVY NY AMPAMOAKA

Nankaiza ny vidin’ilay raopilanina
Izay nodradraina hanasoavam-bahoaka,
Fa be no efa maina tsy manan-kohanina,
Hatramin’ny tenda aza mila hipoaka!

Ny vidin’ny vary ity miakatra hatrany,
Ny vidin’ny solika tsy hay mba notanana.
Moa tsy ny hoe hampidinana izany,
’Ty ’lay nidedahana hivaro-pananana?

Hatramin’ny rora efa mila tsy ho telina.
(Tena mangidy fa tojo ny antambo!)
Kanefa i Mampiesona sy Radomelina,
Mainka midehaka, midingin-drambo.

Jereo, very an-javony izay teo an-tanana,
Iretsy vahoaka vao mainka mijaly.
’Nareo no eo am-pototry ny fiadanana
Ka mievotrevotra sy falifaly?

Mitety ny faritra indray ka hizara
Ny ampahany kely amin’izay nangalarina?
Mieritrereta fa mahakizo fara
Ny fombanareo ry mpanao ny tsy marina!

… Mbola hotsaraina ny zavatra vita,
F’izany no ilàna ilay hoe fifidianana.
Ialao ny jiolahin’ny tetezamita,
Fidio ny olo-marina , madio tanana.

DADAN’i ZINA (09-08-18)