Haino aman-jery – Mandeha ny televiziona MBS

Isambilo

Nandeha nanomboka omaly ny televiziona MBS, eo amin’ny canal 41 UHF no hahazoana izany fahitalavitra izany, mbola andrana teknika aloha no ataony amin’izao fotoana, ka ny MBS radio izay efa nandeha efa ho herinandro vitsivitsy izao, amin’ny halavan’onjampeo 95.4 Mhz aloha no mandeha ao amin’izany fahitalavitra izany, ary ny sary famantaran’ity televiziona ity no hita amin’ny fahitalavitra any an-trano any.

Ny azo antoka, afaka andro vitsivitsy na maromaro dia hisy ny fandaharana samihafa sy ny vaovao ao amin’ity fahitalavitra ity.

Raha ho an’ny radio, fantatra koa izao fa efa mandeha ihany koa ny MBS Radio any Toamasina renivohitry ny faritra atsinanana.

Ela niandrasana ny mpihaino sy ny mpijery televiziona, arahabaina fa tonga soa eo amin’ny sehatry ny haino aman-jery indray ity haino aman-jery tsy miankina ity, rehefa nopotehan’ny mpanongam-panjakana tamin’ny taona 2009.