19:00 > CUA sy Ecole Normale Supérieure (ENS) : kolontsaina sy asa Tanana

Sompitry ny tahirin’ny teny ny hainteny Malagasy, nisongadina izany nandritra ny fampahafantarana sy fanolorana ny boky, nataon’i Docteur Raharimanga Fidèle mpampianatra mpikaroka ao amin’ny Ecole Normale Supérieure (ENS), tetsy amin’ny Lapan’ny tanàna Analakely androany tolakandro teo.

Ny boky izay natolony izao dia mirakitra hainteny Malagasy nampitondrainy ny lohateny hoe: ny maha-Malagasy ary ny fihoaran’ny fahendrena noho ny fahadalana.

Nanome voninahitra ny fotoana tamin’izany ny ben’ny tanànan’Antananarivo Lalao Ravalomanana sy ireo mpiara-miasa aminy akaiky, amin’ny fanohanan’ny Kaominina Antananarivo renivohitra ny fanomezan-danja ny kolontsaina sy ny asa Tanana Malagasy. Satria hetsika ara-kolontsaina sy asa Tanana izao tanterahana etsy amin’ny Lapan’ny tanàna Analakely izao, nanomboka androany ary tsy hifarana raha tsy ny sabotsy ho avy izao.

Mpikarakara ny hetsika ny fikambanana Vohitr’Andriana Ombimanga sy ny kolo kanto ENS, eo ambany fiahian’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra.

Fantatra tamin’izany koa fa ankamantatra voahaingo ny hainteny, literatiora miavaka, filazana zavatra tsy mivantana mety ho tononkalo mety ho tantara koa.

Mbola hitohy rahampitso izao hetsika momba ny kolontsaina sy ny asa Tanana etsy amin’ny lapan’ny tanànan’Analakely izao.