12:00 > Morondava – May ny biraon’ny lehiben’ny Faritra

Ny Valosoa

May omaly (6.8.2018) ny biraon’ny faritra any Morondava, renivohitry ny faritra Menabe.

Trano efa tranainy izy ity, vita amin’ny hazo amin’ny ankapobeny ka izany no nampahazo vahana ny afo. Tokony ho tamin’ny 1 ora sy sasany tolakandro, tamin’ny fotoana tsy nisian’ny mpiasa tao amin’ity birao ity no nirehetan’ny afo. Mifanakaiky eo koa, nirehatra toy izany koa ny biraon’ny Prefektioran’i Morondava, saingy tsy be ny fahavoazana satria vita amin’ny biriky ity biraon’ny Prefektiora ity.

Raha ny fahitan’ny tany an-toerana azy, sy ireo nanatri-maso izao fahamaizan’ny biraon’ny faritra izao, toa fahamaizana niniana natao ity nahamay ny biraon’ny faritra ity. Ezahana potehina mihitsy ankehitriny hoy izy ireo ny maha-Morondava an’i Morondava, sy ny maha-Menabe an’i Menabe, satria izay may hatreto tsy misy tafarina, ka ahiana ho toy izany koa ity biraon’ny faritra ity, tsy ho tafarina intsony avy eo hoy ny fanehoan-kevitra avy any an-toerana.

Préfet, Rasamoelina Andriamihafy Doris

https://www.facebook.com/MORONDAVACOMMUNEURBAINE/videos/465925317207991/

https://www.facebook.com/MORONDAVACOMMUNEURBAINE/videos/465911257209397/

(FB Pelissier Julien)