EDITO –  7 Aogositra – Ny mpampandoro tanàna indray no milaza fa Mesia

Rina Rabemananjara

Fombantsika Malagasy ilay antsoina amin’ny teny mahazatra hoe: Vono vorona no betsaka.

Raha mbola tsy fantatra ny daty hanatanterahana ny fifidianana Filohampirenena dia maro ny mpanao politika no nilaza isak’izay mihetsika fa ilaina havoaka ny datim-pifidianana fa iankinan’ny fiainam-pirenena sady ahafahana manomana ny filatsahana. Rehefa nivoaka anefa ny daty dia tsy hita izay nataon’ireny olona be resaka ireny. Natao indray ny fomba rehetra nanakanana ny filatsahan’ny Filoha Marc Ravalomanana, natao ny Lalàm-pifidianana sadasada, nandany vola tamin’ny alalan’ny fidirana amin’ny haino aman-jery ny sasany, namelabelatra fa tsy tokony hirotsaka ny olona tahaka izatsy na izaroa, tsy nahomby anefa izany tetika izany ka nony taty aoriana dia nangingina ireny olona ireny. Izany no ilazana hoe : vono vorona no betsaka !

Mandeha indray ny fanangonan’olona etsy sy eroa ataon’ny sasany saingy tsapan’ny mpitazana fa endrika ivelany daholo ireny satria mbola tambazana vola ny olona hanatrika ilay lazaina fa fihaonambe, dia izay no lazaina fa nahavory vahoaka. Diso be anefa izany satria tsy mitovy ny Malagasy tany amin’ny 10 taona sy 20 taona sy 30 taona lasa, sy ny Malagasy amin’izao taona 2018 izao. Efa lasa lavitra ny famakafakan’ny olona amin’izao fotoana izao; matanjaka koa ny serasera ka izay no tsy mampandaitra ny vono vorona ataon’ny sasany.

Na izany aza mbola misy ny Malagasy no mora voarebireby ka izay no tsy maintsy hanazavana tsara ny sain’ny olona ny tena marina. Amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ny olona iray sy ny ekipany hampandroso firenena kanefa ny zavatra efa nitsangana aza nopotehany sy nodorany? Dia ankehitriny ny mpandoro trano sy ny nahatonga ny  Malagasy tsy an’asa dia milaza tena fa izy no tena dadany ary milaza fa Mesia sy lasa Anjely tampotampoka teo. Mila mailo hatrany ny rehetra satria betsaka ny vono vorona saingy tsy niteraka fandrosoana mihitsy aloha hatramin’izao ny fisehosehoana ivelany.

Olona tsy mpanapotika no tadiavin’ny Malagasy fa manangana ary indrindra indrindra olona matahotra an’Andriamanitra, sa ahoana hoy ianao ?