FANAMBARANA – Kianjaben’i Mahamasina – Hetsika saika atao ny 5 Aogositra

FANAMBARANA

Noho ny antony fandaminana sy noho ny mbola tsy nivoahan’ny fahazoan-dalana avy amin’ny Préfet de Police dia hahemotra amin’ny fotoana manaraka tsy ho ela, ny hetsika famaranana ny faha-15 taonan’ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM), saika hatao ny alahady 5 aogositra ho avy izao etsy amin’ny kianjaben’i Mahamasina.

Ho lazaina amintsika eto ihany ny fotoana manaraka hanatanterahana izany famaranana ny fankalazana ny faha-15 taonan’ny antoko TIM izany.