18:00 > PNUD sy CENI – Nanofana ny mpanao gazety momba ny fifidianana

Nanofana ireo tonian-dahatsoratra amin’ny trano fanaovan-gazety maromaro eto an-drenivohitra, momba ny fifidianana, tany Ampefy distrikan’i Soavinandriana ny alatsinainy sy talata teo ny rafitry ny Firenena Mikambana sy ny PNUD ary ny CENI na ny Vaomieram-Pirenena misahana ny Fifidianana.

Ny tanjona tamin’izany dia mba handray anjara mavitrika amin’ny hisian’ny fifidianana eken’ny rehetra, mangarahara, milamina ary handraisan’ny rehetra anjara ny mpanao gazety.

Voaresaka nandritra izany fanofanana izany ny momba ny fifidianana filoham-pirenena hatao amin’ity taona ity, ny lalàna mahakasika izany, ny fisorohana ny fifandonana ary ny politika momba ny matoan-dahatsoratra.

Nisy ihany koa ny ady hevitra amin’ny fitondran-tena izay hodinihana sy holaniana amin’ny fotoana manaraka. Mbola hisy atrikasa 7 hafa ankoatra an’io tany Ampefy io hatao amin’ity volana aogositra sy septambra ity any Toliara, Fianarantsoa, Antsirabe, Toamasina, Antsiranana, Mahajanga ary Antananarivo.

Mpanao gazety 200 any no heverina hahazo fiofanana amin’ireo atrikasa rehetra ireo ho fanatevenana ny traikefany amin’ny resaka fifidianana.

Isambilo