EDITO – 2 Aogositra – Ho voavarotry ny MAPAR ambongadiny i Madagasikara

Mangarahara

Famarotana an’ i Madagasikara no mahadodona ireo mpanao politika nandrodana ny fitondran’ny filoha Marc Ravalomanana. Ny hanamafy an’izany no mahatonga ireo mpiara-dia amin’ny MAPAR miaraka amin’ny HVM nandray ny fitondrana.

Efa iainan’ny malagasy ireo zava-doza vokatry ny nataon-dRajoelina sy ny ekipany nandritra ny tetezamita, ary mbola hita tamin’ny fitondrana HVM. 

Samy miaiky ny mpanara-baovao politika fa ny famerenana an-dRajoelina sy ny forongony midika ho famarotana ambongadiny ny tanindrazana amin’ireo vahiny. Fanaovana tsinontsinona ny taranaka. Saika voavarotra ambongadiny amin’ny vahiny mantsy ireo faritra ahitana vatosoa.

Mbola ho mafy noho izany no hitranga raha ny MAPAR na ny HVM no hitondra an’ity firenena mahantra manankarena ity.

Mila mieritreritra tsara ny mpifidy. Tsy azo lavina fa tompon’antoka amin’izao fahavoazana izao ny mpanongam-panjakana. Hiatrika fifidianana isika. Ny fahaizana mametraka ny olona hitondra an’i Madagasikara mandritra ny 5 taona manaraka no andrasana amin’ny mpifidy. Olona hita fa efa manana traikefa, marina, tena tia tanindarazana, tena tia an’i Madagasikara.