Filoha Marc ravalomanana – Anisan’ny hanan-danja indrindra amin’ny fifidianana

Sôh’son

Mila henoina avokoa ny feon’ny rehetra olom-pirenena mivondrona amin’ny fikambanana na antoko na sehatra samihafa milaza ny fiheverany momba ny raharaham-pirenena raha te ho tafavoaka isika.

Efa hadisoana lehibe hatramin’izay ny nanaovana amboletra amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra nataon’ny mpitondra mihazom-pahefana teto. Ohatra akaiky sy hita miharihary mazava tsara ankehitriny ny momba ny lalampanorenana nolaniana tamin’ny taona 2010. Nisy ireo vondron’olona marobe tsy nanaiky ny namolavolana azy sy nanaovana fifidianana azy kanefa dia natao amboletra ihany ny fifidianana ary nolanian’ireo vitsy anisa nifidy. Dia iaraha-mahita izao ny vokany fa korontana sy disadisa politika tsy misy fiafaràny. Niaraha-nahita tsara ihany koa ny fihetsiky ny fitondrana Rajaonarimampianina sy ny antoko Hvm izay ninia nanao amboletra ny heviny matetika teto amin’ny firenena ary dia izao ihany koa ny vokany, rava ny fifampitokisana teo aminy sy ny vahoaka Malagasy. Mbola andrasana sy iaraha-mahita eo ny amin’izay hiafaràn’ny raharaha eo anivon’ny ministeran’ny Paositra sy ny fifandraisan-davitra.

Matoa misy olona mitabataba, mitsikera amin’ny sehatra izay hitany ho tsy mandeha amin’izay laoniny fa tokony harenina dia te handray andraikitra izy. Tena zava-dehibe izany ary tokony tsy ho tsinontsinoavina velively, fa azo trandrahina tsara izany, raha mpitondra mahay ny asany tokoa, ho lasa fampandrosoana ny firenena.

Ka tena hadisoana bevava mihitsy ny minia mikimpy tsy te hahalala ny hevitry ny hafa, fa ny fifampihainoana no mahatsara zavatra. Ilàna finiavana koa anefa izany fa tsy ny kibay an-kelika ihany. Ny olona mahay mihaino sy mandravona izay feom-bahoaka samihafa mifanohitra izay ary mahita vahaolana am-pahendrena iombonan-kevitry ny rehetra no ilaina izao eto amin’ny firenena. Tsy vitan’olonolom-poana izany fa asa sarotra ary eo no ilàna olon-kendry sy matotra afaka handanjalanja ny fanapahan-kevitra raisina.

Fiteny mandrakariva eto amintsika ny hoe: manana manampahaizana maro isika eto fa mahantra olo-marina sady olon-kendry. Mila katsahin’ny vahoaka Malagasy fatratra ny olona ilaina toy izany satria tsy misy afa-tsy izay ihany no hahatafarina ny firenena. Fotoana indrindra izao hitarafana izany mialoha ny hidirana amin’izay ho fifidianana.

Ny filoha nasionalin’ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM) dia anisan’ny olona efa nahavita teto amin’ny firenena teo amin’ny lafiny maro: foto-drafitrasa, ady amin’ny kolikoly, ady tamin’ny tsy fandriampahalemana, fanampiana ny tantsaha tamin’ny lafiny maro toy ny fanomezana azy ireo: zezika, masomboly,… Olona miezaka amin’ny fahamarinana ihany koa izy amin’ny maha-olona manana andraikitra amin’ny fiangonana lehibe eto amin’ny firenena azy dia noho izy filohan’ny komity fankalazana ny faha-50 taonan’ny FJKM na ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara. Anisan’ny olona hanan-danja indrindra amin’ny fifidianana ho avy noho izany ny Filoha Marc Ravalomanana, maro ireo mpanenjika azy ankehitriny, lasa aloha izy matoa enjehin’ny maro izay.