Edito 26 Jolay – Fifidianana filoham-pirenena – Kiry sy evotrevotra sisa no betsaka ny an-dRajao

Ny Valosoa

Tsy mety amin’ny Filoha Hery Rajaonarimampianina ny datin’ny 7 novambra, izay  no fomba fijerin`ny mpandinika maro momba ny hirotsahan`Ingahy Hery Rajaonarimampianina indray, hofidiana ho filoha amin`ny fihodinana voalohany dia ny 07 novambra izao. Antony maro no azo anamarinana izany hoy izy ireo .

Voalohany dia mbola mamy amin-dRajao ny seza ary hitany fa fohy taminy ny efa-taona mahery nijanonany teo ka mbola tsy nahafahany nanao izay danin`ny kibony tsara  na dia hita aza fa efa an-dalam-pahapotehana tanteraka ny firenena noho ny zava-dratsy maro nataony.

Faharoa dia mbola be ireo olana mahasaringotra azy ka mbola tiany hofaranana alohan`ny hialàny, toy ny raharaha Claudine Razaimamonjy, ny raharaha Houcine Arfa sy ny hafa. Mbola be ihany koa ny olona tiany hapetrapetraka  sy hotambatambazana vola indray mialoha ny fifidianana. Tsy vitany anefa izany  fa variana tanteraka sady vaky loha  tamin`ny fihetsehan`ny depiote izay saika niafara tamin`ny  fionganany izany, ka dia mbola te hanonitra haingana ny tsy vitany nandritr`izany izy. Ny fiaraha-mitondra eo amin`izy sy ny Praiminisitra ankehitriny koa dia tsy tsara ho azy satria hitafa mampihena isan`andro ny fahefany sy ny heriny. Rajao manao izay tsy hahavanona ny fifidianana kasaina hatao ny 07 novambra satria izany no mety aminy. Ny Praiminisitra Ntsay Christian kosa miezaka mafy ny handamina ny zava- manahirana rehetra  mba tsy hampihemotra ny datim-pifidianana satria izay no ho tombontsoan`ny olona tohanany dia i Andry Rajoelina, izay efa maika sy dodona ny hisian`ny fifidianana ary dia mitety faritra sy manao propagandy alohan`ny fotoana sahady.

Arak’izany dia mitady lalana mafy Ingahy Rajao ankehitriny hanalavana araka izay azo atao ny fotoam-piasany, satria araka ny lalam-panorenana dia tokony hametra-pialana roa volana mialoha izy izany hoe ny 07 septambra izao,  raha raikitra ny fifidianana 07 novambra.

Ny maro dia mihevitra fa izy ihany no ao ambadik`izao korontana rehetra izao. Miezaka mandamina Ingahy Praiminisitra fa Rajao sy ny tariny kosa manao izay tsy hisian`ny filaminana hahafahany manamarina fa mbola tsy milamina ny tany ka tsy mety ny mbola hisian`ny fifidianana. Mampiasa olona izy amin`ireny grevy sy savorovoro samihafa misy ankehitriny ireny hoy ny mpandinika.

Dia ho hita eo ny tohiny fa hatreto aloha dia efa tena mihena tanteraka ny hery sy fahefan’Ingahy Rajao fa dia kiry sy evotrevotra sisa no betsaka.