TIM- Boriboritany V – Vonona amin’ny fifidianana ny 7 novambara izao

Isambilo
Nanao fihaonambe voalohany teny Anosiavaratra Antananarivo Avaradrano ny faran’ny herinandro teo ny avy amin’ny antoko Tiako i Madagasikara na ny TIM ao amin’ny Boriboritany faha-V eto Antananarivo Renivohitra. Izany dia fanetsehana ny fototra nataon’ny avy amin’ity antoko ity ho fiomanana amin’ny fifidianana ny 7 novambra ho avy izao, no sady fitsangatsanganana sy fialamboly koa ho an’izy ireo.
Solontena miisa 50 avy, avy amin’ny fokontany miisa 27 ao amin’ny Boriboritany faha-V no niatrika izany, izany hoe teo amin’ny mpikatroka miisa 1500 teo. Nanome voninahitra ny fotoana tamin’izany ny Filoha lefitra nasionalin’ny antoko Tim avy amin’ny Faritanin’Antananarivo sady senateran’i Madagasikara, Ramatoa Olga Ramalason, ny Filohan’ny Filan-kevitry ny tanànan’Antananarivo, izay sady mponina ao amin’ny Boriboritany faha-V, kolonely Faustin Andriambahoaka, ny mpandrindra ny antoko ao amin’ity Boriboritany ity sady mpanolotsaina ny tanànan’Antananarivo Fetra Razafitsimialona.
Ny tanjona tamin’izao hetsika teny Anosiavaratra izao koa dia fampivondronana ny avy amin’ny antoko TIM sy ny KMMR 2018 na ny Komity Mpanohana an’i Marc Ravalomanana amin’ity taona 2018 ity.
Mpirahalahy mianala kosa ny TIM sy ny KMMR 2018 hoy ny filohan’ity komity ity, Constant Raveloson, hanohana ny Filoha Marc Ravalomana ny KMMR 2018 amin’ny fifidianana, ao aorian’izaany fifidianana izany anefa hoy izy dia tsy handrotsaka olona amin’ny fifidianana na inona na inona ny KMMR 2018.

Ny mpandrindra ny KMMR Raveloson Constant nandritra ny fihaonamben'ny antoko TIM boriborintany faha 5 teny Anosy avaratra ny sabotsy lasa teo

Publiée par Arp Helisoa sur Mardi 24 juillet 2018