Miarinarivo, Arivonimamo – Nirohotra nanatona an-dRavalo hatrany ny vahoaka

Nitsidika ny tany amin’ny faritr’Itasy iny ny faran’ny herinandro ny Filoha Nasionalin’ny antoko Tiako I Madagasikara (TIM), Marc Ravalomanana, izay sady filohan’ny komity fankalazana ny faha-50 taonan’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara na ny FJKM.
Na hetsika ara-pinoana aza no tena nifantohan’ny dian’ny Filoha Marc Ravalomanana tany Miarinarivo renivohitry ny faritr’Itasy, sy tao Arivonimamo, nisy hatrany ny fihaonany tamin’ny vahoaka, tamin’izany teny an-dalana.
Tsapa fa nirohotra nanatona an’i Dada hatrany ny vahoaka marobe tamin’ireo toerana nolalovany ireo. Nitondra ny hetahetany tamin’ny Filoha Marc Ravalomanana izy ireo tamin’izany. Nilaza sy nanambara fa hitondra vahaolana amin’izany i Dada amin’ny fotoana maha-mety azy. Voaray avokoa ireny fitarainana amin’ny fahasahiranan’ny mponina ankehitriny ireny hoy izy.
Isambilo