EDITO 24 Jolay – Fotoana ilàna Mpitondra mahay miloloha rano roa siny izao

Sôh’son

Ao anatin’ny safotofoton-drivotra politika tanteraka ny firenena amin’izao fotoana izao. Safotofoto izay toa iniana atao mba hahafanina ny vahoaka tsy haharaka intsony ny raharaha maro atsy sy eroa izay ilàna fanazavana sy ny fiafaràny. Iniana odiana fanina ve dia hosaronana mangingina ary hivalona no tanjona amin’izany mba tsy hisy ny arakaraka amin’izay mety ho voakitikitika sy voarohirohy? Tsy miendrika fanosihosena sy fanaovana tsinontsinona ny vahoaka Malagasy tsotra izao ve izany? Ezahina fatratra ihany koa izay hampisafotofoto ny raharaham-pirenena mba tsy hifantoka amin’ny fidangan’ny vidim-piainana sy ny olana ara-tsosialy mafy manapotika azy andro aman’alina ny vahoaka. Samy mandrirotra ny sain’ny vahoaka avokoa ireo rehetra ireo ary tsy hita mazava intsony izay lalana marina tokony hizoran’ny firenena.

Eny, fa na dia hambara ombieny ombieny aza fa hiroso amin’ny fifidianana ny firenena, ary izay no ifotoran’ny governemanta Ntsay Christian mafy ankehitriny, dia mbola misy mandrirotra hampibanjina amin-javatra hafa indray izany. Iray lehibe amin’izany ny resaka ny fanovana ifotony. Sehatra iray lehibe izay mitaky toe-tsaina sahy miroso amin’ny ” revolisiona “. Sao dia ho familivilian-dresaka sy misy ambadika ihany koa izany satria efa nisy mpanao politika iray nitarika an’io tany amin’ny fotoanan’ny tetezamita tany sy tamin’ny fotoanan’ny fifidianana filoham-pirenena kanefa izy io toa tsy ao anatin’ity resaka ity. Olona izay tsy nihevitra izany, iray amin’izany ny olon’ny fitondrana sy ny filohan’ny Repoblika, sy ny ekipany no mivoy izany tato ho ato araka ny fahitan’ny mpanara-baovao azy.

Aoka re ny maika amin’ny vahoaka aloha no hovahana haingana dia haingana fa maty ny vahoaka amin’izao mangitsogitsoka amin’ny olana ara-tsosialy izao. Tsy lavina, ny fifidianana ilaina ary fanajàna ny lalampanorenana izany, fa hahavaha ao anatin’ny fotoana fohy ny olam-bahoaka ve ny fanatanterahana azy? Tsy olana ve ny olona matin’ny hanoanana sy ny fahantrana lalina, fa fifidianana aloha no maika? Sao dia miditra amin’ny disadisa sy krizy ara-poltika indray koa aorian’izany?

Raha mpitondra mahay sy feno fahendrena, dia atao miara-dalana ireo, ny fifidianana sy ny famahana ny olana ara-tsosialim-bahoaka, fa tsy hoe atao miandry ity farany, dia izay voafidim-bahoaka lany eo manatanteraka ny asa. Resaka adala ny hoe aleo hatao ny fifidianana fa mijaly loatra ny vahoaka. Resaka tsy mandeha amin’izay laoniny izany. Tsy fahaizana mitondra firenena izany. Ary rehefa mpitondra eo amin’ny fahefana ankehitriny tsy mahay izany dia tokony hiala hametra-pialàna, fa tsy ilain’ny vahoaka.

Tena izao mihitsy no fotoana ilàna Mpitondra mahay miloloha rano roa siny.