EDITO  21 Jolay – Fiainam-pirenena : Mbola mitoetra ny politikan’ny mpanjanaka frantsay fahiny

Sôh’son

Teboka miisa 10 no nofaritan’ny mpanjanatany frantsay hanagejana maharitra ny zanataniny toa an’i Madagasikara. Iray lehibe amin’izany ny hanao izay hampisaratsarahana ka tsy hifanara-tsaina ireo mponina zanahiny. Ao anatin’izany ilay politika maloto hoe “zarazarao hanjakana”. Noezahin’ny mpitondra frantsay nalentika tao andohan’ny vahoaka Malagasy io toetra tsy hiray saina io momba ny fiainam-pirenena sy izay mahakasika ny firenena amin’ny ankapobeny mihitsy tao anatin’ny 64 taona. Ary mbola nokolokoloiny fatratra mba hahazo faka tsara ka na 58 taona aty aoriana aza tsy misy ahiana intsony fa efa ho tandra vadin-koditra amin’ny vahoaka. Vao antsasa-tsiekla ihany koa izay fa mbola lavitra sy haharitra ny fe-potoana nofaritan’izy ireo hitoeran’izany toe-tsaina izany, fa ho siekla maromaro… Dia hita miharihary tsara, tsy mila porofoina fa iaraha-mahita toy ny vay an-kandrina ny fisehoan’izay fisaratsarahana eo amin’ny samy vahoaka Malagasy izay manoloana ny toe-javatra iray. Ohatra akaiky amin’izany ny fisian’ny fitokonana ataon’ny mpampianatra. Samy mifamotopototra eo avokoa ny fiheveran’ny samy mpampianatra, ny mpampianatra sy ny ray aman-dreny ary ny mpianatra, ny mpampianatra sy ny mpitondra fanjakana. Etsy ankilan’izany rehetra izany, ireo rehetra mpifanohitra hevitra ireo tsy nisy iray nanome vahaolana mahomby sy haingana ary maharitra amin’ny fanafoanana ny tsy mahay mamaky teny sy manoratra eto amin’ny firenena izay mbola ambony ny taha amin’izany, ary sakana lehibe iray amin’ny fampandrosoana ny firenena io. Raha mandroso anefa ny firenena dia mivaha ho azy avokoa ny olana maro samihafa. Fositra iray lehibe ihany koa ny mbola fampiasana io teti-dratsy nomen’ny mpanjanaka io eo amin’ny sehatra samihafa. Ny mpitondra fanjakana no tompon’andraikitra voalohany amin’izany raha mbola hita taratra sy mitoetra hatrany eto amin’ny firenena izany toe-tsaina izany. Tsy misy afa-miala amin’izany izay rehetra mihazom-pahefana amin’ny fitantanana ny firenena. Raha mbola manam-piniavana mikolokolo io toe-tsaina mamorika firenena io ny mpitondra ankehitriny, dia mazava loatra tsy isalasalana fa olona ampisain’ny mpitondra frantsay mandraka ankehitriny, ireo. Tsy lavina, mety hisy ary tsy maintsy hisy ny tsy fitovian-kevitra eo amin’ny samy olom-pirenena, kanefa raha misy ny fototra miorina marina amin’ny Fitiavan-Tanindrazana dia amin’ny farany tsy maintsy hisy ny teboka iraisan-tsaina mitsinjo ny tombontsoan’ny rehetra sy ny firenena, fa tsy an’olom-bitsy. Ny manam-pahefana mampihatra io politika ho amin’ny fampisaratsarahana olona na vondron’olona io no azo lazaina ho fanetribe na fahavalom-pirenena ankehitriny. Olona na mpitondra izay milofo sy mikatsaka fatratra ny hiraisan’ny vahoaka manontolo hina sy saina kosa no tena ilaina sy tadiavina amin’izao fotoana izao.