Mpampianatra mitaky ny zony

Mpampianatra ny tena fa rehefa miakatra ny hafanan’ny fo dia ila tsy ho voafehy ny viva fa te hanompa.
Isak’izay manao antso avo ny mpitondra dia milaza hatrany hoe AZA ATAO SORONA NY ZAZA MALAGASY. Toy izany koa ny tenin’ireo Ray aman-dReny fohy saina tsy mahalala afatsy ny azy sy ny zanany. Fa mba te-hanontany an’ireny olona ireny aho hoe: heverinareo fa manao kilalao ny fiainan’ny zaza ve izahay raha mitaky? Iza no tena miziriziry mampikatso ny teo-draharaha, izahay mpitaky ny zonay ve sa ny mpitondra tsy te hanome ka mamilafila? Miharihary teo ambany masonareo hatrizay ny fanaovana zanak’Ikalahafa ny mpanabe na samy mpiasam-panjakana aza. Mba hitanareo ny fijaliana sy ny fahambanian’ny fari-piainan’ny ateo hoe Mpampianatra. Mba nahita mpiasan’ny finance na douane na administrateurs nitrosa vary teny amin’ny mpivarotra ve ianareo?
Mba nahita mpiasan’ny fitsarana ratsy lamba, ratsy trano, sns… ve ianareo? Mba nahita tafika na zandary na pôlisy sady manao asa amin’ny maha-miaramila nefa koa mandeha mivaro-boanjo ve ianareo? sns… tsy voatanisa. Ezaka lehibe no efa ataon’ny fanjakana hoy ny PM. Ezaka lehibe toy ny ahoana izany azafady?? 25.000 ariary? Andriamatoa hajaina PM oh! Mba hoatrinona loatra ny karamanao na dia tsy fanontany aza izany no dia 25.000 ariary no lazainao fa ezaka lehibe? Inona no vitan’izany amin’izao vidim-piainana miakatra be izao? Ny sasany mitaky, vetivety ianareo mamaly. Fa rehefa ny mpampianatra no mikiakiaka dia lazaina fa ratsy fanahy manao sorona ny zaza. Ho sahy hiteny ve ianareo fa TSY TIA NY ASANY NY MPAMPIANATRA? Aza mifandrebireby re Tompoko oh!

Mpampianatra Mitaky ny Zony
Mpamaky gazety Ny Valosoa Vaovao