20:00 > Mijanona ny Kianjan’ny 13 Mey ary fitetezana ny ministera amin’izay izao miaraka amin’ny sendika

Manomboka ny Alatsinainy 9 Jolay dia tsy eo amin’ny Kianjan’ny 13 Mey intsony ny hetsiky ny fanovàna fa isaky ny ministera indray ka atomboka eo amin’ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena.

Ka amin’ny 10 ora ny fotoana. Izay no tapaka teo anio asabotsy satria mila manamafy miaraka amin’ireo sendika isika rehetra, hoy ny depiote Felix Randriamandimbisoa.