Ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana – Tsy nivarotra ny CEG Analamahitsy araka ny tsaho aelin’ny sasany

Helisoa

Efa antomotra ity ny fifidianana filohampirenena , ao anatin’izany miha- romotra ireo tsy maty voalavo ankibo fahavalo-pôlitikan’ny filoha Marc Ravalomanana mivady, manely tsaho sy manaparitaka zavatra tsy marina amin’ny onjampeo sy gazety eo ampelatanan’izy ireo . Lasibatra amin’izany ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana izay kandida hirotsaka ho fidiana filohampirenena ny vadiny Marc Ravalomanana , dia atao izay aharatsy laza ny ben’ny ben’ny tanàna, mba ho ratsy eo anatrehan’ny vahoaka ny vady andefomandriny raha ny tanjon’ireo mpanenjika azy. Lazaina indray fa mivarotra ny CEG eo Analamahitsy ny ben’ny tanàna , nanazava mazava ny lefitra voalohan’ny ben’ny Tanàna, kolonely Ramboasalama Emilien fa tsy mpivarotra tany , ary tsy hivarotra tany mihintsy ny kaominina Antananarivo renivohitra . Raha misy fanomezana tany olona dia tsy maintsy mandalo fanapahankevitry ny mpanolotsaina ny tanàna izany . Omena fotsiny hanaovana fotodrafitr’asa toy ny fanariampako , tsena izay tombontsoa ho an’ny daholobe ny tanin’ny CUA raha misy, fa tsy araka ny tsaho aely hoe varotana etsy sy eroa hoy izy . Ny angombaovao teny amin’ny CEG Analamahitsy hoy ny kolonely Ramboasalama Emilien dia tany manan-tompo io toerana misy ny CEG io , ka saika noravain’ireo milaza fa tompony . Tsy nanaiky izany ny CUA fa mila manamboatra trano fianarana vaovao ho an’ireo ankizy aloha vao miroso amin’ny fandrodanana ny trano raha ilaina izany . Mazava eto fa misy hatrany ny tetidratsy ataon’ireo matahotra ny filoha Marc Ravalomanana amin’ny fifidianana ho avy io ka dia atao avokoa izay aharatsy laza ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana, mba hampangidy hoditra ny filoha Marc Ravalomanana eto Antanananarivo , ho sasapoana ihany ireo anefa fa tsy adala akory ny olona ka tsy ahafantatra ny setroka sy ny tomany .