Japana – Ady amin’ny fofon-kelika

Mba hiadivana amin’ny olona mamofompofona dia namorina fitaovana hafa kely ity orinasa japoney Tanita ity, izay mandrefy fofona. Amin’ny teny japoney lazaina hoe “sumeru harasumento”.

Ampiretina ny Tanita ES-100, dia atonina eo amin’ny faritra tiana refesina eo amin’ny vatana. Afaka 10 segondra dia manome refy anelanelan’ny 0 sy 10 (0, tsy misy fofona, 10, veloma ra-namana).

Manomboka eo amin’ny 5 miakatra dia ilaina fiheverana, na misasa mandro fotsiny dia tokony ho afa-pofona.

Azo ampiasaina in-2000 na herintaona ity fitaovana ity, ary ny vidiny dia eo amin’ny 400.000 ariary (125$) eo.