Tsy matahotra ary vonona hiatrika fifidianana ny TIM – olona hanatanteraka fanovàna no tohananay

Helisoa

Mitohy hatrany ny tolona ho an’ny fanovàna ataon’ny vahoaka sy ny detpiote TIM eo amin’ny kianjan’ny 13 mey satria mbola tsy tody hatramin’ny farany ny fanovàna notakiana teto amin’ny firenena, araka ny nambaran’ireo nifandimby nandray fitenenana tao ankianja, tsy hoe rehefa mahazo toerana dia miala amin’ny tolona.

Mbola tonga mavitrika miatrika ny tolona hatrany ireo sendika, nanambara izy ireo fa hitohy hatrany ny tolona ataony na mifarana aza ny eo amin’ny 13 mey satria ny tolona atao tsy ho vita iray andro hoy ny mpitondra teniny. Nisaotra ny depiote Tiako i Madagasikara (TIM) ireto farany tsy niala fa mbola manohy ny tolona hatrany na dia efa manana minisitra ao anaty governemanta azy izy ireo. Ny solombavambahoaka Hanitra Razafimanantsoa raha nandray anjara fitenenana dia nanambara mazava fa tsaho no
naelin’ireo onjampeo mpomba ny fitondràna nilaza fa najanon’ny filoha Marc Ravalomanana ny tolona ho an’ny fanovàna eo kianjan’ny 13 mey. Nahitsy ny depiote Hanitra Razafimanantsoa fa izay tsy mankaty amin’ny 13 mey dia tsy mananjo hiteny sy hanely tsaho fa mijanona ny fitakiana ataontsika ety an-kianja hoy izy.

Mbola marobe ny zavatra angatahina raha tena fifidianana eken’ny rehetra sy tsy hampisy korontana no hatao eto Madagasikara. Ny fitakiana ataon’ny sendika mbola tsy misy valiny hatramin’izao. Fa ankoatra izay, mikasika ny resaka fifidianana dia nanambara mazava Me Hanitra fa vonona amin’ny fifidianana ny antoko Tiako i Madagasikara na inona na inona mitranga.

Noho izany mila miomana isika hiatrika izany satria mbola maro ny fepetra
ahatongavana amin’ny fifidianana madio ary mbola tsy tanteraka ireo. Mila misolo ireo sefom-pokontany napetrapetraka izay fositra tamin’ny lisi-pifidianana tsy mandeha amin’ny tokony ho izy. Mila sefo-pokontany fidim-bahoaka fa tsy izay mampetipety ny fitondràna HVM no apetraka amin’ireny toerana saro-pady ireny.

Matoa isika mijoro mitolona hoy ny mpandahateny dia mba mijery lavitra fa tsy manao zavatra tandrametaka tahaka ny misy amin’izao.

Fehiny, tsy matahotra ny fifidianana ny Tiako i Madagasikara , ny olona tohananay hoy Me Hanitra dia hanatanteraka fanovàna tena izy fa tsy mitsoa-pahana ohatra ny sasany rehefa mahazo toerana.

Mitohy anio ny tolona eo amin’ny kianjan’ny 13 mey , araka ny toromarika avy amin’ireo depiote dia ny tolak’andro manomboka amin’ny 2 ora no manomboka satria maro ny tolona miandry hatao ny tapak’andro maraina.