Depiote Me Hanitra Razafimanantsoa – Nitondra fanampiana ho an ‘ireo may trano tetsy Manarintsoa afovoany boriborintany voalohany

Helisoa

 Ny voin-kava mahatratra ; vao nandre ny loza  nihatra tamin’ireo mponina  may trano tetsy Manarintsoa Afovoany   ny  solombavambahoaka  voafidy tao amin’ny boriborintany  voalohany,  Me Hanitra Razafimanatsoa  dia tonga nidodododo  nitondra fanampiana teny an-toerana  ny tenany . Raha tsiahivina  dia nitrangana haitrano mahatsiravina tetsy Manarintsoa Afovoany ny  talata  vao mangirandratsy   sahabo ho tamin’ny 1ora maraina .  Nahatratra 31 tafo no may kilan’ny afo  tamin’izany ,  200 no tsy manan-kialofana. Tsy nisy ny aina nafoy fa roa no fantatra fa naratra izay efa nahazo fitsaboana.   Tonga nitondra ny voatsirambin’ny tanana ho an’ireo traboina ny solombavabahoaka  Me Hanitra  Razafimanantsoa  tamin’izany .  Henoko ny voina nahazo anareo hoy  izy  ka tsy tafandry  mandry  aho  fa nitondra ireto fanampiana ilaina maika ireto . Nankahery sy nampitraka  ireo traboina  ihany koa Me Hanitra   tamin’izany .